menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • samedi 16 mars 2013

    Sakanan'i Madagasikara tsy hody ao Frantsa ny filoham-pirenena frantsay teo aloha


    frantsa-madagasikara-frantsafrika.jpg
    Miaramila Malagasy manome fihofanana ireo miaramila frantsay
    Taorian’ny fanonganam-panjakàna feno habibiana niseho tao Frantsa dia voatery nitsoaka sy nanao sesi-tany ny tenany ny filoham-pirenena frantsay rehefa nataon’ireo andiana miaramila frantsay mpanongam-panjakàna haza-lambo tao Parisy.

    Efa-taona aty aoriana dia tsy nitsahatra nitolona ny vahoaka frantsay mba hiverenan’ny ara-dalàna sy mba hiverenan’ilay Filoham-pirenena voafidim-bahoaka ao frantsa indray saingy mandà mafy izany ireo mpitondra tetezamita mpanongam-panjakàna tohanan’i Madagasikara izay Firenena nanjanaka an’i Lafrantsa teo aloha.

    Manizingizina ireo  mpanongam-panjakàna ao Lafrantsa sy ny Firenena Malagasy mpanohana azy fa hiteraka korontana ny fiverenan’ny Filoha Frantsay teo aloha ao Frantsa,ary dia hihezaka hanao izay fara-heriny i Madagasikara amin’ny alalan’ny masoivohony miasa sy monina ao Parisy mba hanakanana izany Filoha Frantsay izany tsy hody ao antanindrazany.

    Etsy andaniny ireo mpanongam-panjakàna mitondra ny tetezamita ao Frantsa dia mifikitra mafy eo amin’ny fitondràna amin’ny alalan’ny fanaovana fitaovana ny hainoamanjery sy ny tafika ary ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsaràna.

    Tsy misy mahazo miteny ao amin’ny TF1 sy France2 intsony ireo mpanohitra ary efa tapitra nakaton’ny mpanongam-panjakàna avokoa ireo hainoamanjery manelingelina azy rehetra.

    Nahazo fisondrotan-karama sy fisondrotana grady tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy avokoa ireo manam-boninahitry ny tafika sy mpitandro ny filaminana Frantsay ary dia tsy misalasala mihitsy izy ireo maneho sy manaporofo ny fanohanany ny tetezamita tarihan’ny mpanongam-panjakàna.

    Anisan’ny mpanohana mafana fo ny mpanongam-panjakàna amin’izany ireo Zandary GIGN, polisy GIPN ary ireo lezionera izay samy nahazo fihofanana manokana sy fitaovam-piadiana vaovao avy amin’ny Firenena Malagasy avokoa.

    Ny fitsaràna moa eo anatrehan’izany dia tsy mihambahamba mihitsy mandrahona ireo mpanohitra sy mamonja ireo rehetra izay sahy mitsikera sy mitroatra manoloana ny tsy rariny ataon’ireo mpanongam-panjakàna. Maro ireo miaramila, mpanao gazety ary mpitondra fivavahana no nigadra vokatry ny fanehoan-kevitr’izy ireo mikasika ny habibiana ataon’ny mpanongam-panjakàna.

    Ankoatr’izay dia potika sy lasibatr’ireo mpanongam-panjakàna avokoa ireo orinasa goavana maro izay andry iankinan’ny toe-karena frantsay toy ny orinasa Peugeot, Renault, Bouygues sy ny sisa…ka dia ny orinasa vahiny sy ny orinasa Malagasy mpanohana ny mpanongam-panjakàna sisa mahazo vahana.

    Marihina fa samy manakihana sy manome tsiny ny mpanongam-panjakàna avokoa ireo masoivoho vahiny sy vondrona iraisam-pirenena rehetra manoloana ny habibiana ataony sy ny tsy fanajàny ny zon’olom-belona ao frantsa. Saingy ny masoivoho Malagasy irery ihany no mahita fa milamina tsara ary ara-dalàna tsy misy kihanina ny zavatra ataon’ireo mpanongam-panjakàna ao anaty tetezamita frantsay.

    Tsy mitsahatra ny fitokonana sy tolona ataon’ireo vahoaka Frantsay sy ireo tera-tany Frantsay mipetraka ivelan’i Lafrantsa izay mivondrona ao anatin’ilay fikambanana atao hoe FTT na Frantsay Tia Tanindrazana. Miharihary loatra ary tsy takona afenina intsony mantsy ny fanohanan’i Madagasikara ireo mpanongam-panjakàna ao Lafrantsa.

    Porofon’izany fanohanan’i Madagasikara ny mpanongam-panjakàna frantsay izany ny fandraisan’ny Filoham-pirenena Malagasy tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny mpanongam-panjakàna izay filohan’ny tetezamita frantsay tao amin’ny lapa-panjakàna Iavoloha.

    Raha ny vaovao farany dia hisy ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ao frantsa ao afaka volana vitsivitsy. Manoloana izany anefa dia tsy mitsahatra mampiaka-peo sy mitolona ireo vahoaka frantsay satria tsy mangarahara sady tsy madio hoy izy ireo ny fifidianana manaraka eo raha mbola ny mpanongam-panjakàna no mikarakara sy manomana izany fa indrindra indrindra takian’ireo vahoaka sy vondrona iraisam-pirenena maro hafa ny fiverenan’ny Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay lasa sesi-tany mba hody ao an-tanindrazany ao Frantsa mialohan’ny fifidianana mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila sy hampangarahara tsara ny fifidianana marina.

    Eo anatrehan’izany anefa dia nanantitrantitra sy namerina indray ny masoivoho Malagasy miasa sy monina ao Frantsa fa tsy manaiky ny fiverenan’ny filoha frantsay teo aloha hody ao Frantsa ary hanao izay fara-heriny sy hampiasa ny fahefàny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanakanana izany.

    Mametra-panontaniana sy velon-taraina ihany ireo vahoaka frantsay manoloana izany hoe: Ny vahoaka frantsay tokoa ve no tompon’i Lafrantsa sy mahalala izay mahasoa ny tanindrazany sa ity masoivoho Malagasy izay manao bodongerona sy manao didy jadona manohana tsy misy fepetra ireo mpanongam-panjakàna anaty tetezamita ity.

    Eto ampamaranana dia tsara ny manamarika fa vokatry ny fanonganam-panjakàna nisy dia mbola tsy nahantra sy fadiranovana toy ny misy ankehitriny i Lafrantsa.

    - An’etsiny maro ireo vahoaka frantsay very asa vokatry ny doro orinasa nataon’ny mpanongam-panjakàna sy fitsoahan’ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha vahiny vokatry ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana intsony.

    - An’etsiny maro ireo zaza frantsay no tsy mandeha an-tsekoly intsony vokatry ny fahantràna ka voatery manampy ny ray aman-dreniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavam-bola.

    - Tsy mitsahatra isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo andian-jiolahy ao Parisy sy Marsay ary ireo faritra maro ao Frantsa. Ary ny tena loza dia miparitaka dia miparitaka manerana an'i frantsa ny fitaovam-piadiana mahery vaika ary fantatra fa ireo lezionera sy GIGN ihany no lasa dahalo sy jiolahy manafika ny vahoaka ka miteraka tsy fandriam-pahalemana tsy manam-paharoa. 

    Very fanahy mbola velona ireo vahoaka frantsay vokatr'izany. Ireo miaramila sy mpitandro ny filaminana noheverina mba ho tandroka aron’ny vozona indray mantsy no lasa jiolahy sy mpikarama an’ady ara-politika.

    Vaovao farany tena farany dia tsy takatry ny kely vola intsony ny atody ao Frantsa ao, ny vahoaka nefa mba nanantena vary 500 Ariary ny Kilao.

    Angano angano, arira arira! Atsipy ny tady eny an-tandroky ny mpanongam-panjakàna sy ny reny malalany, atsipy ny teny any am-pon’ny Malagasy saro-piaro amin'ny Fireneny sy tia Tanindrazana rehetra.


    *Angano noforonina avy amin'ny tantara tena nisy izay nivoaka t@ gazety mpiseho isan'andro iray VAKIO ETO (amin'ny fiteny frantsay)


    MM

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...