menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • jeudi 7 juin 2018

    Mijoro ireo manam-pahaizana malagasy: Fahaizana, fahaizan-manao, fahamendrehana, fanoitra politika mahery vaika

    manam-pahaizana-malagasy-mijoro.jpg
    Mijoro ary tsy miamboho adidy ireo manam-pahaizana malagasy ~ Sary: Midi Madagasikara


    FAHAIZANA, FAHAIZA-MANAO, FAHAMENDREHANA

    FANOITRA POLITIKA MAHERY VAIKALe pouvoir intellectuel est un pouvoir politique


    Sasinteny


    Am-panetretena no ijoroanay ka itakianay ny hametrahana ny tsirairay sy ny vondron’olona amin’ny toerana sahaza sy mendrika azy.
    Andrandrain’ny maro ny manam-pahaizana (fahaizana sy fahaiza-manao ary famendrehana) ho fanilo ka andrasan’ny rehetra hamerina indray ny hasin’ny firenena malagasy.
    Noho izany sy eo anoloan’ny atambo sy ny loza efa mihatra ka tsy hiloa-bava fa hangina dia tsy ho hay zakaina ny tsiny. Koa tsy miamboho adidy izahay.


    Iza moa izahay izao ?


    Malagasy mendrika, miantoka ny fanabeazana sy ny fampianarana izahay. Malagasy madio na amin’ny lafiny kolikoly sy resa-bola, na amin’ny lafiny pôlitika ka tsy nitsabaka tamin’ny raharaha maizina,

    Satria ny hery tsy mahaleo ny fanahy. Koa andry sy arovonin’ny firenena tsy ho rendrika fa hamelana no ijoroanay.

    Tsy hikatsaka tombotsoan’olom-bitsy fa hitondra hevitra, paika sy tetika hanandratana ny hasina sy ny soa iombonana. Izany no anjara andraikitra iantsorohanay ary irianay ifampizarana amin’ny tsara sitrapo rehetra.

    Fantatray fa sesehena ireo Malagasy mpiray tanindrazana mangetaheta ny hanasitrana ny firenena amin’ny aretina manjo azy.

    Nanorim-paka teto an-tanindrazana izahay mba hikaroka sy handray anjara amin’ny fampivoarana ny firenena. Raisinay ho adidy tsy azo hialana izany ka tsy atao an-tselika na an-tsirambina.

    Izahay manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny firenena?

    Toy ny vay an-kandriny ny fahoriana mianjady amin’ny firenena ka tsy ilaina tanisaina intsony ary indraindray aza ny fanakianana lavareny dia vao maika manamafy orina ny ratsy izay ezahina hosorohina.

    Raisinay ho adidy koa ny manambara tsy misorona fa firenena tsy mahantra isika fa fitantanana tsy mahomby sy fitsinjarana tsy ara-drariny ny harem-pirenena no tsy nahafahan’ny vahoaka nisitrika ireny.

    Matetika dia nampiasain’ny mpanao pôlitika sy ny mpitondra ireo Oloben’ny Malagasy ho tapi-maso fotsiny. Na izany aza dia tsy mbola niamboho adidy izahay ka niantsoroka andraikitra na efa tsy omby ny loha aza. Sanatria ve ho andrasana fotsiny ny fahasimban’ny firenena sy ny fahapotehany tanteraka izay efa misoritra eo anoloantsika ankehitriny? Malahelo ny manam-pahaizana Malagasy fa natakalo tolo-bahiny ny volavola-drafitra narosony matetika ka nailika fotsiny.

    Fahaizana sy fahamendrehana, fanoitra pôlitika mahery vaika (Le pouvoir intellectuel est un pouvoir politique)

    Tsy misy fanjakana mahery sy matanjaka ary demôkratika raha tsy miara-mientana ny valala tsy mandady harona sy ny manam-pahaizana (fahaizana, fahaiza-manao, fahamendrehana) izay fanoitra pôlitika mahery vaika eto amin’ny firenena.

    Fanamby goavana no apetraka raha haroso ny fanovana ny fifampitondrana efa nahazatra kanefa hita fa tsy mahomby no sady vao maika nandrendrika foana hatramin’izay.
    Fialonana sy tahotra matetika no ametrahana an-jorom-bala ireo manam-pahaizana izay fanoitra pôlitika andrasan’ny vahoaka.


    Ny takianay


    Isan’ny Olobe eken-teny izahay fa sahy misaina sy mieritreritra lalina no sady dahy miteny tsy misorona ny marina ary sahy manentana hiara-mandroso koa. Fantatra fa manelingelina ireo zatra manao lalan-dririnina izany fihetsika sy fanamby izany.

    Adidinay ihany koa ny mampahatsiahy sy mampirisika ny fanjakana handray sy hampanjary ny tolo-kevitray mpampita fahaizana, fahaiza-manao sy fahamendrehana satria ny fanjakana no mpiantoka ny ahefanay ny adidinay ary misitraka ny vokatry ny asa tanterahanay.

    Izany takinay izany dia endriky ny fahaiza-mitantana sy isan’ny andraikitra ankapoben’ny fanjakana amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana sy ny ain’olombelona.

    Tsy azo hihodivirana ho an’ny mpitondra sy mpiandraikitra ny raharaham-pirenena ny mifanolo-tanana miara-miasa akaiky sy miara-miantoka ny sehatra pôlitika amin’ireo mitàna ny fahaizana, fahaiza-manao ary fahamendrehana.

    Ambohitsaina, 6 Jiona 2018

    FOTOMANANTENA DINA Jeanne R., ancient recteur de l’université de Toliara
    MARA Edouard Remanevy, Directeur de l’Institut Halieutique et des Sciences Marines, ancien recteur de l’université de Toliara
    RAHARINARIVONIRINA Alisaona, ancien recteur de l’université de Madagascar
    RAKOTOMARIA Etienne, Ancien Ministre de l’Enseignement Supérieur
    RAMANOELINA Panja A.R., Président de l’Université d’Antananarivo
    RAMBELOSON RAPIERA Jeannine, Ancien doyen de la Faculté des Lettres et Sciences Humaines, agrégée de Lettres Modernes
    RANJEVA Raymond, Président de l’Académie Malagasy
    RAVELOMANANA Mamy R., Agrégé de Sciences Economiques

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...