menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • Affichage des articles dont le libellé est Toekarena. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Toekarena. Afficher tous les articles

    lundi 25 juin 2018

    AAA-TIKO Andranomanelatra: Efa miomana amin’ny fisokafany

    aaa-tiko-hisokatra.png

    Efa miandry fatratra ny hisokafan’ny Orinasa AAA-Tiko Andranomanelatra avokoa ny mpiasa sy ny mpandraharaha niara-niasa tamin’ity Orinasa malagasy, isan’ny goavana eto Madagasikara ity. Raha ny fantatra dia efa ho herinandro mahery teo ho eo izao no nanesoran’ny mpitondra ao Vakinankaratra ireo mpitandro filaminana niandry ity orinasa ity andro aman’alina ary naverina namonjy ny asany izy ireo.

    vendredi 13 octobre 2017

    Orinasa TIKO AAA: Ain'ny Firenena, ain'ireo mpiasa sy vahoaka alin-kisa maro

    tiko-aaa-andranomanelatra.jpg


    Ny fihetsika mamohehitra sy fanamparam-pahefàna ataon'ny fanjakàna amin'ny orinasa TIKO AAA ankehitriny dia aoka hazava tsara fa tsy ny fianakaviana Ravalomanana ihany na ny mpiasan'ny TIKO AAA ihany no iharan'ny voka-dratsiny fa ny firenena Malagasy sy ny vahoaka Malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy.

    mardi 6 juin 2017

    Fantatrao ve ireo lalam-pirenena sy ny halavany avy eto Madagasikara?


    lalam-pirenena-fifamoivoizana-madagasikara1.jpg
    Sary: http://www.routard.com 
    Ny làlana no lalan-drà mamelona ny Firenena. Mandray anjara mivantana amin'ny fampandrosoana ny toekarena ny làlana raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny anjara-andraikiny amin'ny fitanterana sy fivezivezen'ny vokatra sy ny entana ary ny vahoaka isika. Ho an'i Madagasikara manokana, izay Firenena mifototra amin'ny fambolena sy fiompiana, dia manampy betsaka sy manamora ny famoahana sy fitanterana ireo vokatra isan-karazany any ambanivohitra any mba hihazo ireo tanàn-dehibe sy renivohi-paritra isan-karazany ny làlana. Azo lazaina araka izany fa miankina betsaka amin'ny làlana ny vidim-bokatra sy ny saran-dàlana.

    Mba ohatrinona tokoa moa ny vidim-bary sy sakafo eto Madagasikara ankehitriny? Ohatrinona ireo saran-dàlana an-tanàn-dehibe sy mankany amin'ireo faritra isan-karazany? (azo ohanina ve ny làlana?)

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...