menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • Affichage des articles dont le libellé est Politika. Afficher tous les articles
    Affichage des articles dont le libellé est Politika. Afficher tous les articles

    jeudi 2 janvier 2020

    Marc Ravalomanana: "NEVER GIVE UP” - Tsy hilavo lefona, ary tsy ho kivy isika fa tsy maintsy mijoro"


    marc-ravalomanana-politika-2020-faravohitra.jpg

    Kabary sy hafatra fiarahabàna sy firariantsoa ho an'ny taona vaovao 2020 avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana.

    […]
    tsy misy eto ny fametrahana ny demokrasia tena izy, fa sarintsarina demokrasia no tiana hapetraka eto. Nataon’ny mpitondra ny ezaka rehetra amin’ny fanovàna ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, na ny “statut de l’opposition” mba hampanginanana ny mpanohitra. Voahosihosy ny zo fototra amin’ ny fahalalahana maneho hevitra sy fanaovana fihetsiketsehana. Nitranga izany tamin’ny sabotsy faran’ny taona teo. Vahoaka tonga am-pilaminana dia nandefasana miaramila mirongo fiadiana. Lasa atao herimpamoretana ny vahoaka ny polisy sy ny tafika, ka ny vahoaka maneho am-pilaminana ny heviny no sakanana. Aiza izany demokrasia izany?

    mardi 17 décembre 2019

    Vonjeo Ambohitrimanjaka: Fady ny mivarotra Tanindrazana! aza avela hiady irery Ambohitrimanjaka


    ambohitrimanjaka-sainam-pirenena-madagasikara.jpg
    Nasian'ny vahoaka sainam-pirenena teny an-tanimbary - Fady ny mivarotra Tanindrazana! Tsy azo amidy Ambohitrimanjaka

    Mahatsiaro tena miady irery sy toy ny atody miady amam-bato ihany ireo vahoaka tantsaha maro be etsy Ambohitrimanjaka ankehitriny manoloana ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena mahazo azy ireo.

    Na izany aza dia tsy mitsahatra maneho ny heviny sy maneho ny fahatezerany ary ny alahelony ao anatin'ny firaisan-kina tanteraka i Ambohitrimanjaka.

    vendredi 22 juin 2018

    Marc Ravalomanana: "Tsy mbola namitaka vahoaka aho ary tsy hamitaka azy mihitsy"

    ravalomanana-02.jpg

    Marc Ravalomanana: "Tsy nisy ny "accord politique" ary mamerina sy manatitrantitra aho ary manamafy fa tsy nanao izany. Tsy mbola namitaka vahoaka aho ary tsy hamitaka azy mihitsy. Raha misy mandehandeha any ka misy ny soniako dia milaza eto aho ho re-tany ren-danitra fa sandoka izany. (...)"

    jeudi 14 juin 2018

    Guy Rivo Randrianarisoa: "Ny miasa tsara sy miasa mafy no tarigetrako"


    minisitra-indostria-guy-rivo.jpg
    Guy Rivo Randrianarisoa « Tsy adinoko ny 13 mey …»
    “Betsaka ny vitan’ny teo aloha sady mila tohizana ny ezaka. Ny miasa tsara sy miasa mafy no tarigetrako”, hoy ny minisitry ny indostria vaovao, Atoa Guy Rivo Randrianarisoa.

    Mila hajaina ny asa satria asam-bahoaka no atao ao anatin’ny minisitera fa tsy politika, raha niresaka tamin’ireo mpiasan’ny minisitera amin’ny fomba fiasa izy. Nohamafisiny fa roa no fanamby hapetraka. Ny voalohany dia ny fanomezan-danja ny orinasa Malagasy sy ny vita Malagasy. Faharoa, ny ady amin’ny kolikoly.

    jeudi 7 juin 2018

    Mijoro ireo manam-pahaizana malagasy: Fahaizana, fahaizan-manao, fahamendrehana, fanoitra politika mahery vaika

    manam-pahaizana-malagasy-mijoro.jpg
    Mijoro ary tsy miamboho adidy ireo manam-pahaizana malagasy ~ Sary: Midi Madagasikara


    FAHAIZANA, FAHAIZA-MANAO, FAHAMENDREHANA

    FANOITRA POLITIKA MAHERY VAIKALe pouvoir intellectuel est un pouvoir politique


    Sasinteny


    Am-panetretena no ijoroanay ka itakianay ny hametrahana ny tsirairay sy ny vondron’olona amin’ny toerana sahaza sy mendrika azy.
    Andrandrain’ny maro ny manam-pahaizana (fahaizana sy fahaiza-manao ary famendrehana) ho fanilo ka andrasan’ny rehetra hamerina indray ny hasin’ny firenena malagasy.
    Noho izany sy eo anoloan’ny atambo sy ny loza efa mihatra ka tsy hiloa-bava fa hangina dia tsy ho hay zakaina ny tsiny. Koa tsy miamboho adidy izahay.

    mardi 5 juin 2018

    [VIDÉO] - Fanehoan-kevitra mafana Solombavambahoaka Hanitriniaina Razafimanantsoa - Guy Rivo Randrianarisoa

    guy-rivo-hanitra-tim.jpg

    Fanehoan-kevitra mafana sy valin-kafatra avy amin'ireo Solombavambahoaka Tiako I Madagasikara taorian'ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao Atoa Ntsay Christian.

    mercredi 30 mai 2018

    Hafatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara - "Manjaka loatra ny fitiavam-bola arahin’ny tsy rariny"


    hafatra-eveka-madagasikara-2018.jpg
    Sary tahiry Lakroan'i Madagasikara

    “ Ny taranakao hanorina indray ny rava ela… hahatonga ny tany ho azo honenana ” (Izaia 58, 12)

    Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.
    Ho antsika Kristianina sy izay tsara sitra-po rehetra.

    Nangetaheta fihavaozana sy fanavaozana ny firenentsika, fa toa manjaka loatra ny fitiavam-bola arahin’ny tsy rariny. Hadino tanteraka ny fitiavana an’Andriamanitra. Kanefa Izy miara-dalana amintsika isan’andro. Nasehony miharihary izany fitiavana izany tamin’ny nanambarana ny maha Olontsambatra an-dRamose Lucien Botovasoa vao tsy ela akory izay.

    mardi 29 mai 2018

    Fanambaran'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) manoloana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)


    FANAMBARANA 26 MAY 2018
           

                Eo anatrehan'ny fanapahan-kevitra laharana 18-HCC/D3 tamin'ny 25 may 2018 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana dia ketraka tanteraka izahay Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) manoloana ny FANITSAKITSAHANA MIHARIHARY NY LALAM-PANORENANA SY LALANA ka MANALA BARAKA TANTERAKA ny FITSARANA ary MIENDRIKA FANOSIHOSENA NY TANY TAN-DALANA;

    lundi 12 février 2018

    Fifidianana filoham-pirenena 2018: Mila filoha tena miasa sy manome asa ho an'ny vahoaka i Madagasikara

    Rehefa nanorim-ponenana nandritra ny efa-taona tany frantsa i Andry Rajoelina sy ny fianakaviany dia tonga eto an-tanindrazana ny tenany ankehitriny ary nanambara fa "hifarana amin'ity taona ity ny fahoriam-bahoaka". Ny fahoriam-bahoaka izay natombony tamin'ny taona 2009 ve no tiany ambara eto sa ny fahoriam-bahoaka izay natomboky ny fitondràna Rajaonarimampianina izay tsy iza fa mpiara-miasa sy olona notohanany ary napetrany teo amin'ny fitondràna nanomboka ny 2013? Aoka tsy hadinoina ny tantara fa teny fampanantenana toy izao koa no noventesin'i Andry Rajoelina nandritra ireny fanonganam-panjakàna feno habibiana nisy teto amin'ny Firenena ireny. Matoa manongana filoham-pirenena voafidim-bahoaka am-perin'asa dia manana antoka tanteraka fa hahavita metimety sy tsaratsara kokoa noho izy. Saingy aiza ho aiza no nisy an'i Madagasikara volana vitsy sy taona vitsy monja taorian'ny fanonganam-panjakàna? Nitondra ny Firenena sy ny vahoaka malagasy taiza ilay fanonganam-panjakàna?

    mardi 30 janvier 2018

    Jirama: Lasa fitaovana politika hanapotehana ny filoha Marc Ravalomanana?

    Mitohy ny antsojay sy fanaovana tsindry hazolena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Efa ho telo volana mahery izay no nanidian'ny fanjakàna ny orinasa AAA-Tiko. Orinasa izay nandohalika tanteraka vokatry sy setrasetra ny fanonganam-panjakàna navaivay nitranga teto amin'ny Firenena tamin'ny taona 2009. Taona vitsy lasa izay, raha mba nikiry sy nihezaka hanangana sy hampihodina indray ity orinasa malagasy ity ireo tompon'andraikitra sy ireo mpiasa maro mivelona ao aminy dia izao niharan'ny fanararaotam-pahefàna sy tsindry hazolena izao indray ka nikatona tanteraka. Marihina fa mpiasa sy tantsaha an'arivony maro no mivelona mivantana amin'ity orinasa malagasy ity.

    vendredi 12 janvier 2018

    Manainga ny vahoaka hanohitra ny tetika maloto rehetra hangalarana indray ny demokrasia eto Madagasikara!


    Fanambaran'ny Tia Tanindrazana Mpanohana ny filoha Ravalomanana (TTMR)


    Manainga ny vahoaka hanohitra ny tetika maloto rehetra hangalarana indray ny demokrasia eto Madagasikara!


    Manoloana ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana tamin’ny 28/08/2010, momba ny fanamelohana ny Filoha teo aloha Andriamatoa Marc Ravalomanana hanao asa an-terivozona mandrapahafaty nohon’ny raharaha 7 Febroary 2009, ary mbola namafisin’ny Minisitry ny fitsarana ny fanatanterahana azy, dia manao izao fanambarana izao izahay TTMR:

    lundi 8 janvier 2018

    Marc Ravalomanana tany Toliara: Nijoro tamin'ny maha Raiamandrenin'ny Malagasy azy. Fandresena tanteraka ny diany


    ravalomanana-tim-toliara.jpg
    Marc Ravalomanana sy ireo vahoakan'i Toliara tonga nitsena azy

    Sahy izy na dia sakanana. Izay no mahafehy ny fihetsika sy toetra nasehon'i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny antoko Tiako i Madagasikara tany Toliara ny faran'ny herinandro teo. Fihetsika izay feno fahendrena sy fandeferana nefa fihetsika feno hankingàna sy fahaizana ihany koa.

    jeudi 17 août 2017

    Dosie maloton'i Mamy Ravatomanga: Tsy ho afa-bela i Andry Rajoelina

    ravatomanga-rajoelina-sonapar-samifin.jpg
    Dosie Ravatomamga, mety hovoafatotra koa i Rajoelina?
    Mipongatra tsikelikely ireo dosie maloton’ilay mpanefoefo Mamy Ravatomanga momba ny nahazoany harena tsy ara-drariny ary re fa tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny lalàna izy na eo aza ny harembeny.

    jeudi 18 mai 2017

    Fa maninona no mitady maika an'i Marc Ravalomanana ny Firenena?


    ravalomanana-vary-sakafo-malagasy.jpg
    Noana sy mahantra ny Malagasy ka mila vahaolana maika sy matotra. 

    Marary ny Firenena, marary i Madagasikara. Tsy mbola tafalatsaka lalina anaty fahantràna toy izao ny vahoaka malagasy; ary indrisy fa efa lasa fahazaran-dratsy sisa ankehitriny ny maheno fa isan'ireo Firenena mahantra indrindra eto ambonin'ny tany i Madagasikara. Iza no tompon'andraikitra? Inona no vahaolana? Ny azo antoka raha itodihana kely ny tantara dia efa nisy ihany teto ny hazavàna nitsilopy sy fanantenana nitsiry tao anatin'ny malagasy tsirairay saingy nitsahatra tampoka toy ny sosoa voatapo-drano izany taorian'ny fanonganam-panjakàna navaivay nitranga izay mbola mampitondra takaitra ny Firenena sy ny fiainam-bahoaka mandraka ankehitriny.

    samedi 16 mars 2013

    Sakanan'i Madagasikara tsy hody ao Frantsa ny filoham-pirenena frantsay teo aloha


    frantsa-madagasikara-frantsafrika.jpg
    Miaramila Malagasy manome fihofanana ireo miaramila frantsay
    Taorian’ny fanonganam-panjakàna feno habibiana niseho tao Frantsa dia voatery nitsoaka sy nanao sesi-tany ny tenany ny filoham-pirenena frantsay rehefa nataon’ireo andiana miaramila frantsay mpanongam-panjakàna haza-lambo tao Parisy.

    Efa-taona aty aoriana dia tsy nitsahatra nitolona ny vahoaka frantsay mba hiverenan’ny ara-dalàna sy mba hiverenan’ilay Filoham-pirenena voafidim-bahoaka ao frantsa indray saingy mandà mafy izany ireo mpitondra tetezamita mpanongam-panjakàna tohanan’i Madagasikara izay Firenena nanjanaka an’i Lafrantsa teo aloha.

    Manizingizina ireo  mpanongam-panjakàna ao Lafrantsa sy ny Firenena Malagasy mpanohana azy fa hiteraka korontana ny fiverenan’ny Filoha Frantsay teo aloha ao Frantsa,ary dia hihezaka hanao izay fara-heriny i Madagasikara amin’ny alalan’ny masoivohony miasa sy monina ao Parisy mba hanakanana izany Filoha Frantsay izany tsy hody ao antanindrazany.

    samedi 1 décembre 2012

    Raharaha 07 Febroary sy Fanonganam-panjakana 2009: Ampamoaka goavana nataon'ny Lietna Kolonely Charles Andrianasoavina


    ampamoaka-7-febroary-2009-charles-andrianasoavina.jpg

    Ity ny ampahany faha-telo tamin'ireo ampamoaka goavana nataon'ny Lietnà Kolonely Charles Andrianasoavina mikasika ny raharaha 7 febroary 2009. Natao tatsy amin'ny Nosy La Réunion ny datin'ny 10 novambra 2012 ny fandraisana ireo horonan-tsary nandritra ny fotoana nitsaboany teny tany.

    jeudi 18 octobre 2012

    "Tsy niteraka mpanongam-panjakàna i Vakinakaratra."



    vakinakaratra-rajoelina-fat.jpg
    Mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Antsirabe
    Na dia mbola tsy nanambara ofisialy amin’ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena aza i Andry Rajoelina dia tsikaritra tato ato ny fihazakazahany mafy amin’ny fanaovana fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana.

    samedi 11 août 2012

    Mbola tsy niova rangahy iny: Tena marina izany, mbola tsy niova i Ravalomanana!


    andry-ravalomanana-seyschelles.jpg
    Ny Filoha Ravalomanana tatsy Seychelles
    Sambasamba i Andry Rajoelina tsy nandainga ary nijoro vavolom-belona raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany teny Ivato ary nanambara fa “Mbola tsy niova rangahy iny” raha niresaka mikasika ny Filoha Ravalomanana izy. (Taorian'ny fihaonany tamin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tatsy amin'ny nosy Seychelles) 

    Tena marina tokoa fa mbola tsy niova ny Filoha Ravalomanana efa-taona aty aorian’ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataon’i Rajoelina taminy.

    mardi 27 mars 2012

    28 Mars 2009: Tao anaty herisetra sy feom-basy. Nijoro hiaro ny demokrasia ny malagasy (VIDEO+SARY)


    razily-miaramila-sainam-pirenena1.jpg
    Nijoro ho an'ny Tanindrazana sy amin'ny maha olom-pirenena azy i Razily.
    Daty manjombona voarakitra ao anatin'ny tantaram-pirenena ny andron'ny 28 martsa 2009. Andro izay nanamarika tanteraka ny fahapotehana sy faharavàn'ny demokrasia teto Madagasikara. Voahitsakitsaka sy rava nanaraka izany koa ny zon'olombelona sy ny hasin'ny Firenena satria dia niditra an-tsehatra tamin'ny fampiasan-kery mahery vaika ny mpanongam-panjakàna izay notarihan'i Andry Rajoelina. Gina sy tampina tanteraka teo ny feon'ny vahoaka izay nijoro hiaro ny demokrasia sy ny zon'izy ireo satria dia ny hery ara-tafika sy ny feom-basy avy hatrany no namaly botana izany. Nijoro ho an'ny Filoha Marc Ravalomanana sy ho an'ny Firenena ireo vahoaka saingy herim-pamoretana tsy mifaditrovana sy feno habibiana no nitsena sy nampihorohoro izany.

    dimanche 14 novembre 2010

    Ny andraikitr’i Lafrantsa amin’ny krizy eto Madagasikara - Réflexion du Pr Adolphe E. Rakotomanga


    madagascar-france-coup-d-etat.jpg
    Nous comprenons alors pourquoi Andry Rajoelina n’a pas hésité à renier sa signature. (...)

    NY ANDRAIKITR’I LAFRANTSA AMIN’NY KRIZY ETO MADAGASIKARA (Pr Adolphe E. RAKOTOMANGA)


    « Lasa kanosa ny Olona raha mangina izy fa tsy midradradradra » (Abraham LINCOLN)

    (Nadika avy amin’ny teny frantsay)

    Misaona ny aty fo amam-panahinay hatramin’ny 17 Mars 2009 no mankaty, andro nilatsahan’ny loza amin’antambo tamin’i Madagasikara, ka niteraka faharavana sady haingana no tsy azo ivalozana: faharavana eo amin’ny lafiny fitondran-tena, politika, fihariana, fiaraha-monina, kolontsaina. Tsy misy ahafantarana azy intsony ireo andrim-panjakana, ary ny demokrasia dia noviraviraina ka zary toy ny voro-damba rovitra maharikoriko. Taorian’ny 1947 dia miaina ny vanim-potoana maizina indrindra i Madagasikara ary tsy misy valaka amin’ny firenena voanjoin’ny hafa*, toa an’i Lafrantsa fahizay tamin’ny andron’ny fitondrana nazi (1939 – 1945).

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...