menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • lundi 8 janvier 2018

    Marc Ravalomanana tany Toliara: Nijoro tamin'ny maha Raiamandrenin'ny Malagasy azy. Fandresena tanteraka ny diany


    ravalomanana-tim-toliara.jpg
    Marc Ravalomanana sy ireo vahoakan'i Toliara tonga nitsena azy

    Sahy izy na dia sakanana. Izay no mahafehy ny fihetsika sy toetra nasehon'i Marc Ravalomanana, filoha nasionalin'ny antoko Tiako i Madagasikara tany Toliara ny faran'ny herinandro teo. Fihetsika izay feno fahendrena sy fandeferana nefa fihetsika feno hankingàna sy fahaizana ihany koa.


    Nampiseho ny tahotra sy fahalemena indray ny fitondràna HVM


    Efa herinandro maromaro no nanomanan'i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ny fitsidihana sy fihaonana amin'ny vahoakan'i Toliara ho tohin'ny fifampiarahabàn'ny antoko Tiako i Madagasikara noho ny nahatrarany ny faha 15 taona niorenany.

    Nandritra izany fotoana izany nefa dia efa nanomana ny ketrika fanakatsakanana sy fanararaotam-pahefàna mahazatra azy koa ny olon'ny fitondràna HVM tany an-toerana. Raha ny loharanom-baovao voaray dia minisitra iray izay efa diso fantatra loatra amin'ny fanenjehana sy fankahalàna an-dRavalomanana no tao ambadiky ny fihetsiketsehana sy herisetra nataon'andian'olom-bitsy teo amin'ny seranam-piaramanidina.

    Nisy ny fanakatsakanana sy fanaovana herisetra tamin'ireo fiara nitondra ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy. Soa ihany nefa fa nandray fepetra haingana ireo mpomba sy mpiaro ity filoha nasionalin'ny Tiako i Madagasikara ity ka vetivety foana dia niravina ny olana ary nitanjozotra niala ny seranam-piaramanidina avy hatrany ny delegasiona izay notarihany. Raha ny lalàna sy tokony ho izy dia ny mpitandro ny filaminana no mandray fepetra sy miaro ny Filoha Marc Ravalomanana na dia ny maha Filoham-pirenena malagasy teo aloha azy fotsiny aza.

    Izao fihetsika tany Toliary izao dia nampibaribary sy nanaporofo indray fa "Olobe" atahorana sy manana ny maha izy azy ny Filoha Marc Ravalomanana. Ho an'ireo mpanaraka vaovao politika sy raharaham-pirenena dia mahatsapa avy hatrany fa misy hifandraisany goavana amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy amin'ity taona 2018 ity izao fanenjehana sy fanamparam-pahefàna mahazo an-dRavalomanana izao. Na inona na inona fanazavàna omen'ireo mpanao tsindry hazolena izay mialokaloka ao ambadiky ny fahefàna ankehitriny; ny azo antoka dia kandida anisan'ny goavana sy matanjaka indrindra amin'ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo i Marc Ravalomanana ka izay no antony lehibe hitadiavan'ireo kanosa ny teti-dratsy rehetra handavoana sy haniliana azy.

    toliara-hvm-aeroport.jpg
    Ireo andian'ankizy natao fitaovana fanakorontanana teo amin'ny seranam-piaramanidina Toliara

    Raha ny sary miparitaka eny amin'ny tamba-jotra sosialy eny dia andian'olom-bitsy nohararaotina amin'ny fahasahiranany no natao fitaovana hanakorontanana. Efa fahazaran-dratsin'ireo mpanao politika marivo salosana sy tsy matoky tena rahateo ny manakaràna sy manao fitaovana ireo vahoaka madinika mba ho tohatra fiakarana sy sorona lava.

    Ny ratsy tsy kely làlana, ary hita fa tena vonona amin'ny hevi-dratsy sy mamohehitra rehetra ireo mpanenjika an-dRavalomanana. Tsy nisalasala mihitsy mantsy ireo milaza azy fa manam-pahefàna nanao fitaovana sy nampandainga ny Televiziona Malagasy na ny TVM. Nambaran'ity Hainoamanjerim-panjakàna ity tamin'izany fa "Nalohan'ny vahoakan'i Toliara i Ravalomanana".

    Antenaina fa mba sady natahotra no menatra ihany ireo tompon'andraikitra sy mpanao gazety tao amin'ny TVM raha namoaka ity vaovao lainga sy feno fitaka ary mifono fampiadiana ny samy malagasy ity. Azo antoka tsinona fa ny fitondram-panjakàna mivantana no nanome ny tsindry sy baiko mikasika izany.

    Marc Ravalomanana: Nijoro tamin'ny maha Raiamandrenin'ny Malagasy sy mpitrika kinga azy


    Na teo aza ireo teti-dratsy sy fingapingana maro isan-karazany nandritra ny dian'ny Filoha Marc Ravalomanana tany Toliara iny, dia azo ambara fa nody ventiny ny rano natsakaina ary tontosa soa aman-tsara tao anaty fandresena sy fihobiana tanteraka izany.

    Vakio koa: Filoha Marc Ravalomanana : Tsy matahotra ny HVM ny TIM

    Raha ny hampandamoka sy handrava ity fihaonan'ny Filoha Ravalomanana sy ny vahoakan'ny Toliary ity tokoa mantsy no tanjon'ny sasany dia ny mifanohitra tanteraka tamin'izany no zava-niseho satria dia arakaraky ny fanararaotam-pahefàna sy fampiasan-kery nataon'ny ankilany no vao mainka nanentana sy nanome hery ireo vahoaka maro be sy mpanohana nivondrona nanara-dia ny filoha nasionalin'ny antoko Tiako I Madagasikara.

    Araho eto ny horonan-tsary mampiseho ireo vahoaka maro be mifaly havanja nitsena sy nanaraka ny Filoha Marc Ravalomanana.

    Toto-rebika sy fifaliana, tsikitsiky, fanantenana ary koràna no nandravaka ny fiarahana sy fihaonana teo amin'ny roa tonta: Ny vahoaka sy ny filoha Marc Ravalomanana.

    Etsy andanin'izany dia tsara ny mampatsiahy fa voafidy ho "Olon'i Afrika 2017" ao amin'ny sokajy "Mpitarika politika" ny Filoha Marc Ravalomanana. Filoham-pirenena afrikana maro no nifaninana taminy tamin'izany ary anisan'ny nifampitàna akaiky taminy ny filoham-pirenena Kenyana Andriamatoa Kenyatta Uhuru.

    Nazava be ny fandresena azon'i Madagasikara izay nisoloan'ny Filoha Marc Ravalomanana tena tamin'ity fifaninanana ity satria dia nitarika lavitra be tamin'ny isam-bato maherin'ny 90000 isa ny tenany na salan'isa maherin'ny 60%.

    Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara nisy malagasy voafidy ho "Olon'i Afrika" toy izao.

    Raha ny vaovao mikasika ity fifaninanana ity dia atsy Johannesburg, Afrika Atsimo no hatao ny lanonana ofisialy sy fizaràna ny loka ho an'ireo mpifaninana nandresy. Azo antoka ary fa mety hitodi-doha ho atsy Afrika Atsimo ny Filoha Marc Ravalomanana amin'io andro io handray ny amboarany.

    Hoy indrindra ny tenany ao amin'ny pejy "Marc Ravalomanana - Ofisialy" raha nisaotra ireo vahoaka sy mpanohana maro be nazahoany izao fandresena izao izy:

    "Faly aho, tena faly fa nofidianareo ho olon'i Afrika 2017 amin’ny lafiny fitarihana politika. Fisaorana mitafotafo no atolotro ho anareo tsy an-kanavaka. Santatry ny fandresentsika sahady izao, homba antsika hatrany anie Andriamanitra."


    Mitohy ny làlan'ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy na dia betsaka aza ny sakantsakana. Fahombiazana no azony tamin'ny fifaninanana ho "Olon'i Afrika 2017". Fandresena ny diany tany Toliara. Fotoana sy dingana lehibe manaraka : Fifidianana filoham-pirenena 2018.


    MM

    3 commentaires:

    1. Izao fihetsika mamohehitra ataon'ny hvm tany Toliary izao dia tena voararan'ny lalàna tanteraka. Fampiadiana sy fandrangitana ny samy malagasy. Ary ny fanaovana fitaovana ny TVM mba hamitahana ny vahoaka sy hilazàna vaovao tsy marina dia tena fady mihitsy saingy atao ahoana moa fa fitondrana sampona tsy misy hazon-damosina no misy.Fitondràna vonona @ zava-doza sy hevi-dratsy rehetra mba hitazomana ny fahefana sy ny seza.Tokony hihomana sahady ny vahoaka malagasy satria tsy hipetra-potsiny fa tsy maintsy hahavanin-doza indray io fitondrana tsy matoky valeur io @ fifidianana ho avy eo.

      RépondreSupprimer
    2. Misaotra betsaka ry vahokan'i Tuléar.tena hita mitsy hoe maika sy te hiala @ fahantrana ankeitriny daholo ny vahoaka. Rendez-vous 2018 e!

      RépondreSupprimer
    3. Io fa raikitra ny antsojay ataon'ny HVM @ filoha Ravalomanana. Gouvernement de combat hanakana ny filatsahan-ko fidianan-dRavalomanana no malaza izao. Minisitra efatra na dimy izao no manao tambabe @-dRavalo. Variana manenjika an-dRavalo ry kanosa isany fa ny adidy voalohany @ maha mpitondra azy adinony tanteraka.Efa mailo sy tonga saina ny vahoaka Rajao ô. Efa iaraha-mahalala fa korontana sy krizy ambony ambany indray no tadiavinareo eto mba hamikirana mafy eo @ sezanareo. Andriamanitra tsy andrinareo andrin'ireo vahoaka ireo ihany tompoko.

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...