menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • lundi 12 février 2018

    Fifidianana filoham-pirenena 2018: Mila filoha tena miasa sy manome asa ho an'ny vahoaka i Madagasikara

    Rehefa nanorim-ponenana nandritra ny efa-taona tany frantsa i Andry Rajoelina sy ny fianakaviany dia tonga eto an-tanindrazana ny tenany ankehitriny ary nanambara fa "hifarana amin'ity taona ity ny fahoriam-bahoaka". Ny fahoriam-bahoaka izay natombony tamin'ny taona 2009 ve no tiany ambara eto sa ny fahoriam-bahoaka izay natomboky ny fitondràna Rajaonarimampianina izay tsy iza fa mpiara-miasa sy olona notohanany ary napetrany teo amin'ny fitondràna nanomboka ny 2013? Aoka tsy hadinoina ny tantara fa teny fampanantenana toy izao koa no noventesin'i Andry Rajoelina nandritra ireny fanonganam-panjakàna feno habibiana nisy teto amin'ny Firenena ireny. Matoa manongana filoham-pirenena voafidim-bahoaka am-perin'asa dia manana antoka tanteraka fa hahavita metimety sy tsaratsara kokoa noho izy. Saingy aiza ho aiza no nisy an'i Madagasikara volana vitsy sy taona vitsy monja taorian'ny fanonganam-panjakàna? Nitondra ny Firenena sy ny vahoaka malagasy taiza ilay fanonganam-panjakàna?

    Manakaiky tokoa ny datin'ny fifidianana ary mihazakazaka mitady ny fomba rehetra avokoa ireo kandidà maro hifaninana amin'izany. Samy mampanantena nofinofy sy volana aman-kintana ny vahoaka daholo. Ny sasany nilaza tamin'ny fotoan'androny fa hanafoana ny "delestazy" ao anatin'ny telo volana monja nefa raha ny zava-misy ankehitriny no jerena dia na ao anatin'ny telopolo taona aza mety tsy ho vitany mihitsy izany. Asa mety misy hifandraisany amin'izay ve ilay "Fisandratana 2030"?

    Milaza manana "Vina" sy programan'asa mahomby hampandrosoana an'i Madagasikara daholo nefa raha ny zava-misy dia Vina nampilentika an'i Madagasikara no nanjaka ary "Fisandratana" ho an'ireo mpitondra vitsy an'isa izay tao anatin'ny taona vitsy monja dia nisandratra ho mpanefoefo sy manontany ny ory avokoa. Ripaka ny andramena, rava ny harem-pirenena, lafo amboangadiny ny Tanindrazana ary manjaka ny kolikoly avo lenta sy fanodikodinam-bolam-bahoaka fa vao mainka nilentika ny Firenena ary niha fadiranovana sy mahantra tanteraka ny vahoaka malagasy.

    "Hifarana amin'ity taona ity ny fahoriam-bahoaka" hoy Andriamatoa Andry Rajoelina. Raha ny faniriana sy nofinofin'ny vahoaka tokoa ve moa tsy ho foana tanteraka any izao fahoriana sy fahantràna tsy roa aman-tany izao? Saingy mora kokoa ny mampanantena sy miteny raha oharina amin'ny miasa mafy izay mitera-bokatra azo tsapain-tànana ho an'ny vahoaka avy hatrany. Mora kokoa ny mandrava sy manimba ary mandoro noho ny manangana sy manamboatra.

    Raha manana Vina na programan'asa maty paika hampandrosoana ny Firenena dia amin'ny fotoana maha eo amin'ny fitondràna no hampiharana sy hanatanterahana izany fa tsy rehefa miala eo akory na volana vitsy alohan'ny hialàna amin'izany fitondràna izany.

    Taiza ny "IEM" (Initiative pour l’Émergence de Madagascar) , programan'asa novolavolain'i Andry Rajoelina sy ireo mpanolo-tsaina frantsay maro be namany, izay nipoapoaka sy naderadera tany Parisy farany teo tamin'izy nitondra ny tetezamita? Raha ny fahamehana sy fihazakazak'i Andry Rajoelina handrombaka ny fitondràna tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakàna tamin'izany fotoana izany mantsy dia tena noheverina tokoa hoe nanana vahaolana majika izy hampandrosoana tsaratsara sy haingakaingana kokoa noho ny an'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana kanjo ny nifanohitra tamin'izany tanteraka no nisy: Vetivety sy haingana dia haingana i Madagasikara dia nilentika tao anaty haizin'ny fahantràna ary tsy fahantràna ara-toekarena ihany fa fahantràna ara-tsaina sy sosialy ihany koa indrindra indrindra izay farasisa mbola mikiky ny Firenena mandraka ankehitriny.

    rajoelina-rajaonarimampianina-mm.jpg
    Rajoelina sy Rajaonarimampianina: Samy tsy nivonona hitondra Firenena
    Ny azo ambara dia tsy nivonona velively hitondra Firenena i Andry Rajoelina nandritra ny tetezamita fa nanao izay fomba rehetra fotsiny hanonganana an-dRavalomanana teo amin'ny fitondràna. Tsy nahavita nampandroso an'i Madagasikara tsaratsara kokoa noho izay nataon'ny fitondràna Ravalomanana izy ary raha tsy hitanisa afatsy ny làlana fotsiny ohatra izay nodradradradrain'ity lehiben'ny tetezamita teo aloha ity hoe "Tsy azo hohanina ny làlana" dia tsapan'ny vahoaka tsara ankehitriny fa tsy azo hohanina satria tsy taka-bidy intsony tokoa ny vary sy ny vokatra maro noho ny fahasimban'ny làlana eto amin'ny Firenena.

    Dia toy izany koa: Tsy nivonona velively hitondra Firenena Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina fa teo amin'ny fitondràna vao mikoropaka mamaky takotra sy mihevotrevotra mampandry adrisa mba hanafenana ny tsy fahaiza-mitantana ary mihezaka manary dia ny vahoaka manoloana ny gaboraraka sy tantely afa-drakotra mahazo ny harem-pirenena.

    Sarotra ho an'ny filoha kisendrasendra sy ny lehiben'ny fitondràna nahazo fahefàna tamin-kery no hahay hampandroso Firenena sy hitsinjo marina ny vahoaka satria dia mila fihomanana sy fahavononana tanteraka ary fitiavan-tanindrazana marina ny fanatanterahana izany adidy masina izany.

    Ny fanontaniana mipetraka dia hoe iza no nahazo tombontsoa tamin'ny fanonganana ny fitondràna Ravalomanana? Ny vahoaka tokoa ve? Aiza ho aiza ny toerana misy an'i Madagasikara ankehitriny raha oharina tamin'ny folo taona lasa?

    Vakio koaFa maninona no mitady maika an'i Marc Ravalomanana ny Firenena?

    Ny lasa hono tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy. Raha ny fampandriana adrisa sy fampiratiana "Vina" na programan'asa miaraka amin'ny teny fampanantenana maro no nampandroso an'i Madagasikara dia efa ela ity Firenena ity no nilahatra tamin'ireo Firenen-dehibe mandroso teto Afrika sy hatrany Eropa any. Saingy asa no ilaina, ireo bainga voavadika no ifampitsaràna. Mpitondra efa niasa sy zatra niasa ary efa nanaporofo ny asany tamin'ny fampandrosoana ity Firenena ity no ilain'i Madagasikara. Mpitondra sy mpitarika miasa mafy sy miasa tsara ary manome asa ho an'ny vahoaka no ilaina mba hamerina indray ilay fanantenana sy fandrosoana efa nitsilopy sy azo notsapain-tànana nisy teto amin'ity Firenena ity.


    MM

    2 commentaires:

    1. tonga handroba sy hangalatra ndray ny sasany rehefa avy nanao fiainana sy nanafina ny millions d'euros azo nandritra ny tetezamitatra. 99 andro an'ny mpangalatra fa 1 andro tsy apoiziny an'y vahoaka mahantra izay mbol heveriny ho andry sy akoho tsy misaina na matakatra ny hevi-dratsiny.

      RépondreSupprimer
    2. Mba asio condition ireo izay ho lany filoha inona no sazy mihantra raha manao kopaka am-bava fotsiny ataovy ao amin'ny lalam-panorennana mihintsy mila loi ireo fa rehefa tonga eo pouvoir de tsy refesy mandidy oooo, anagadra , sns rehefa manozongozona sy manakiana ny fitondrana

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...