Orinasa Jirama: Lasa fitaovana politika hanapotehana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana?
Tsy nahazo antoka amin'ny fanapotehana an-dRavalomanana tamin'ny alalan'ny fanakatonana ny orinasa AAA-Tiko ve ny mpitondra ankehitriny ka dia izao mitady hevi-dratsy hafa izao indray amin'ny alalan'ny fanaovana fitaovana politika ny orinasa Jirama?
Fantatra tamin'ny alalan'ny lahatsoratra an-gazety mantsy fa hitory ny filoha teo aloha ity orinasam-panjakàna ity satria eritreretina ho misintona herinaratra tsy ara-dalàna avy amin'ny Jirama ny tranon'ny fianakaviana Ravalomanana ao Andranomanelatra. Marihina fa ny 03 novambra 2017 ny Jirama no nametraka io fitoriana io tao Antsirabe.
Ny mahagaga anefa dia ny 24 janoary 2018 ny fanjakàna vao naniraka "huissier" sy teknisiana Jirama ary mpitandro ny filaminana mba hanamarina teny an-toerana fa mampiasa io herinaratra tsy ara-dalàna io tokoa ny tranon'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Niara-nijery sy niara-nanao fanamarinana tamin'ireto hiraka manokan'ny fanjakàna ireto koa ny "huissier"-n'ny orinasa AAA-Tiko ary rehefa natao ny fanadihadiana sy fitsirihana ara-teknika sy ara-dalàna isan-karazany dia tsy nahita na nahatsikaritra zavatra tsy ara-dalàna ny rehetra ary voamarina fa tsy mampiasa na misintona velively herinaratra tsy ara-dalàna avy amin'ny Jirama ity tranon'ny filoha teo aloha ity. Hita sy voaporofo tamin'izany fa "groupe électrogène" goavana sy matanjaka no mamatsy herinaratsa sy angovo ilay trano nohendrikendrehina fa nangalatra herinaratra avy amin'ny Jirama.
Tsy azo atao ve ny mampiasa "groupe électrogène" indrindra amin'izao fahatapahan-jiro matetika izao? #Jirama |
Maika dia maika ny fanjakàna izay manao fitaovana politika ny Jirama hanaparitaka sy hanely amin'ny hainoamanjery sy gazety maro isan-karazany, izay midika ho fanalàna baraka sy fanosoram-potaka tanteraka, fa tsy manara-dalàna na mangalatra herinaratra Andriamatoa Ravalomanana. Voamarina mazava nefa izao fa tsy misy mitombina avokoa ireny fanendrikendrehana sy fanaratsiana ireny.
Iza no nihazakazaka nampandre sy nanaparitaka vaovao tsy marina teny amin'ny hainoamanjery? Iza no mahazo tombotsoa amin'izany? Tsy vitan'ny mandainga sy manendrikendrika ireo tompon'andraikitra ao ambadik'izao raharaha mamohehitra izao fa mbola nandika lalàna ihany koa satria tsy nanaja ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana fa tonga dia nanaparitaka izany.
Nanambara ny mpisolovavan'Andriamatoa Marc Ravalomanana fa nihazakazahana loatra ity raharaha Jirama ity mba hanaratsiana sy hanendrikendrehana ity filoham-pirenena teo aloha ity. Inona no tanjona?
Ny azo antoka dia arakaraky ny fanatonan'ny datin'ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahana amin'ity taona ity no mampihazakazaka ihany koa ny fitondràna HVM hanamafy hatrany ny tsindry hazolena sy fanararaotam-pahefàna atao amin'Andriamatoa Marc Ravalomanana.
Marihina fa nandritra ny fitsidihana nataon-dRavalomanana sy ireo mpanara-dia azy tany amin'iny faritra atsimon'ny Nosy iny dia nohetsehin'ny fitondràna ankehitriny avokoa ireo EMMOREG sy ireo solo-tenam-panjakàna maro tany an-toerana mba hanakanana ny fihaonan'ity lehiben'ny antoko Tiako i Madagasikara ity tamin'ireo vahoaka mpanohana azy any an-toerana. Efa tsinjo sy taratra eto sahady ireo fihoaram-pefy sy fanararaotam-pahefàna hataon'ity fitondràna ity amin'ireo kandidà matanjaka sy atahorany afaka volana vitsy.
Ankoatra ny fanaovana fitaovana politika ny orinasam-panjakàna Jirama sy ny mpitandro ny filaminana (Emmoreg) ary ireo minisiteram-panjakàna maro dia efa an-taona maro izay no voageja sy voatampim-bava tanteraka ireo hainoamanjerin'Andriamatoa Ravalomanana toy ny MBS sy Radio Mada.
Na mavaivay sy mafy toy izany aza nefa ny fanenjehana sy ny tsindry hazolena mahazo ity filoha teo aloha ity dia ambeti-teniny ombieniombieny amin'ireo vahoaka mpanohana azy sy amin'ny faritra rehetra izay tsidihany ny hoe "Sahy aho matoa mijiro!".
Anio 07 febroary 2018 dia mbola nandefa ny Jirama sy ny Emmoreg indray ny fanjakàna mba hisava ny tranon'ny fianakaviana Ravalomanana eny Andranomanelatra. Na voasava hatrany amin'ny tafo sy voalavadavaka hatreny antokotany aza nefa ilay trano dia niala maina ary tsy nahita na inona na inona tao toy ny mahazatra ireo hiraky ny fanjakàna.
TOHINY ~ VAOVAO ANIO 07 FEBROARY 2018
Anio 07 febroary 2018 dia mbola nandefa ny Jirama sy ny Emmoreg indray ny fanjakàna mba hisava ny tranon'ny fianakaviana Ravalomanana eny Andranomanelatra. Na voasava hatrany amin'ny tafo sy voalavadavaka hatreny antokotany aza nefa ilay trano dia niala maina ary tsy nahita na inona na inona tao toy ny mahazatra ireo hiraky ny fanjakàna.
MM
Filoha kisendrasendra ve hahasahy hifanehitra sy hifapitsapa amin-dRavalo izay mpitarika mamim-bahoaka e. vakina fotsiny hozy ny tanora izay satria raha azony natao aza ny nanafoana ny fifidianana dia nataon-drajao mianakavy zany mba hijanonana eo @ fitondrana.tsy ny jirama iany no ho ampiasaina fa mbola hampiasa zavatra maro ry tsy mataho-tody reo mba hanakanana sy hanapotehana an-dRavalo.
RépondreSupprimerefa marika fa faharesena sahady ho an'i HVM sy ny ekipan-drajao izao. Ny tsy fantatry ry zareo dia arakaraky ny hanenjeana an'i Ravalomanana vao maika mampalaza sy hitiavan olona azy.Hazo avo halan-drivotra ary atahorana matoa ejehana.
RépondreSupprimer