menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • 17 martsa 2009- 17 martsa 2017 : 8 taona lasa izay - "ireo antony nanonganana an-dRavalo"


    Ny Filoha Marc Ravalomanana, kianja Mahamasina

    Mitsingerina rahampitso 17 martsa ny nialan’ny filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana. 17 martsa 2009- 17 martsa 2017 ; 8 taona lasa tokoa izay no niala teo amin’ny fitondrana ny Filoha Marc Ravalomanana, rehefa natolony ny miaramila tamin’izay fotoana izay ny fitondrana, teny amin’ny lapam-panjakana teny Iavoloha, ary lasa nanao sesitany politika ny tenany tatsy Afrika Atsimo izy nandritra ny 5 taona mahery, satria ny 13 oktobra 2014 indray izy vao tafaverina soa aman-tsara teto an-tanindrazana. Tsy nisy nahafantatra ny fomba nialany an’i Madagasikara tamin’ny 17 martsa 2009, toy izany koa tsy nisy mahafantatra hatramin’izao ny fomba niverenany an-tanindrazana indray ny 13 oktobra 2014. Noho ny fanonganam-panjakana nataon’i Andry Rajoelina, notohanan’ny ampahana miramila sasany tao amin’ny CAPSAT no nahatonga ny filoha Marc Ravalomanana, tsy maintsy niala teto amin’ny firenena tamin’izay fotoana izay satria nofofoin’izy ireo koa tamin’izany fotoana izany ny ainy, ka tsy maintsy nandao ny fireneny izy sy ny fianakaviany.

    Nahoana no naongana izy tamin’ny taona 2009 ?


    Ny fiakaran’ny filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana dia fiantombohan’ny fahataperan’ny fanjakazakan’ny Frantsay teto Madagasikara koa. Noho izay antony izay dia tsy maintsy nitady ny fomba rehetra nanonganana azy ny Frantsay. Hatramin’io fotoana io, ampihimamban’ny orinasa Frantsay miisa 600 eo manerana an’i Madagasikara ny toekarena teto amintsika. Ny fiakaran’i Dada teo amin’ny fitondrana dia nampisokatra ny fifaninanana, tsy ny orinasa Frantsay irery intsony no niditra an-tsehatra fa teo ny orinasa Malagasy sy ireo afaka ny nahavita, ary izay no tsy zakan’ny vavonin’ireo mpanjanaka, satria nikatsaka ny tena fahafahana ny Filoha Marc Ravalomanana dia ny fahafahana ara-toekarena fa tsy ny fahafahana ara-politika fotsiny. Noho izay antony izay dia nitady ny fomba rehetra nanilihana azy teo amin’ny fitondrana ny fitondrana tany Paris, ka i Andry Rajoelina no nampiasainy tamin’izany, nitarika io fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 io ary nialan’i Dada teo amin’ny fitondrana ny 17 martsa 2009.

    Ireo zava-bitan’ny fitondrana Ravalomanana


    Nandritra ny 7 taona, be ny zava-bitan’ny fitondrana Marc Ravalomanana, ary anisan’ny tsy levon’ny vavonin’ny Frantsay koa izany: nitombo 1,4 miliara dolara amerikana ny tahirimbola vahiny tamin’ny faran’ny taona 2008 raha 200 tapitrisa dolara amerikana teo izany ny taona 2003. Nisonga ho 7,1% ny fitomboan’ny harin-karena teto amintsika tamin’ny 2008 io raha tsy nisy afatsy 6,8% nanerana an’i Afrika. Ny sondrom-bidim-piainana dia 9,4% monja raha efa nahatratra 12% taty amin’ny kaontinanta Afrikana. Ny taona 2005, nampanangana ny seranan-tsambon’i Ehoala any Faradofay izy, izay lasa seranantsambo faharoa aty Afrika, ao aorian’i Durban atsy Afrika Atsimo. Ny tetibolam-panjakana dia natokana tamin’ny fanamboaran-dalana, ny foto-drafitrasa, ny sehatry ny fahasalamana ary fanabeazana. Voalohany teto amin’ny firenena no nahazo kits scolaires ireo ankizy mpianatra rehetra amin’ny ambaratonga voalohany manerana ny Nosy. 9 000 km ny lalana voarakotra tara vita, be noho ny vitan’ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara nandritra ny 43 taona, ny filohan’i Gabon teo aloha Omar Bongo, ohatra, tsy nahavita afa-tsy lalana vita tara 1 000 km nandritra ny 40 taona. Vaky vava mihitsy tamin’izany fotoana izany ny Banky Iraisam-pirenena fa tsy mbola niroborobo toy izany hatramin’izay ny zava-bita teto Madagasikara na ara-toekarena, na ara-tsosialy,… Tsy ny Frantsay fotsiny intsony teo no mpiara-miombon’antoka tamin’i Madagasikara fa nisokatra koa tamin’ny hafa. Ny taona 2007, ny Kanadiana no mpampiasa vola be indrindra teto amintsika; ny sinoa no mpiara-miombon’antoka ara-barotra voalohany indrindra, i Frantsa kosa tamin’izay, nihemotra tany amin’ny laharana faha-4, teo amin’izay fifanakalozana ara-barotra tamin’i Madagasikara izay. Ary ny tena tsy tian’ny tsinay maitin’ny Frantsay mihitsy tamin’izay fotoana izay, lasa tenim-pirenena ofisialy koa ny fiteny Anglisy teto amintsika, nitovy tamin’ny fiteny Malagasy sy ny fiteny Frantsay. Ny fiteny Malagasy no fiteny nenti-nampianatra nasolo ny fiteny Frantsay. Tsy nanaiky ny fisintahan’ny fanjakana tamin’ny orinasa Air Madagascar sy ny Jirama koa ny filoha Ravalomanana tamin’izany. Ny Air Madagascar dia nomeny notantanin’ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka Alemà Lufthansa, toy izany koa, orinasa Alemà iray hafa no nitantana ny Jirama tamin’ny fanarenana azy ireo, fa tsy nomena orinasa Frantsay.

    Ireo mbola tetikasan’i Dada tamin’izany


    Nihevitra ny hanangana bankim-pirenena Malagasy i Dada ny volana Jona 2009, sehatra izay mbola teo ambany vahohon’ny vondrona banky Frantsay miisa 3. Taona 2008, nisy ny fananganana orinasa mpanao simenitra niarahana tamin’ny sinoa, sehatra izay nataon’ny Holcim ampihimamba (monopôle) hatramin’izay. Ny antony dia avo 3 heny ny vidin’ny simenitra teto amintsika raha oharina tamin’ny atsy amin’ny Nosy Maorisy, nefa ny Maorisiana dia manafatra izany simenitra izany… Nihevitra ny hampanofa tany fa tsy hivarotra tsy akory tany tamin’ny Koreana Tatsimo, 1,3 tapitrisa ha, tamin’izay fotoana izay Ravalo, vonona ny nampiasa vola hatramin’ny 5 tapitrisa dolara amerikana tamin’izany fotoana izany ny orinasa Daewoo. Na nampanofaina tamin’ny Daewoo aza io tany io tamin’izany fotoana izany, mbola nisy tany 42% tsy nisy mpampiasa teto amintsika tamin’io fotoana io. Ankoatra izany, nisy ny fahitana tahirina solitany 15 miliara barils teto amintsika, izay mitentina 2 000 miliara dolara amerikana (PIB an’i Madagasikara mandritra ny 300 taona), noraisain’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izay fotoana izay ny orinasa Amerikana mpitrandraka solitany goaibe Exxon Mobil sy ny orinasa sinoa : China Petroleum, nialona fatratra izany ny tany Paris.

    Nanomboka teo ny fanaratsiana an-dRavalo nataon’ireo fitaovan-tserasera Frantsay: ny France 24, ny AFP (Agence France Presse) ary ny RFI (Radio France Internationale) : nilaza fa mpanao didy jadona ny filoha Marc Ravalomanana, mpanao ampihimamba ny toekarena Malagasy. Tsy mba nolazain’izy ireo kosa anefa fa efa namorona asa ka namelona fianakaviana 4 000 ny orinasa Tiko tamin’ny taona 2001 ary efa fianakaviana an’aliny, mba tsy hilazana hoe an-hetsiny no novelomin’izany orinasa Malagasy izany tamin’ny faran’ny taona 2008.

    Ireo antony ireo no tsy maintsy nanonganan’ny Frantsay azy, i Andry Rajoelina no fitaovana nampiasainy. Araka ny fanadihadiana, vola mitentina hatramin’ny 233 miliara Ariary no voaangon-dRajoelina tamin’izany fotoana izany nanakaramana miaramila sy ireo mpanongam-panjakana, nanesorana ny filoha Marc Ravalomanana teo amin’ny toerany. Herinandro tao aorian’ny 17 martsa 2009 vao fantatra fa tany Swaziland no nivantana ny filoha Marc Ravalomanana mianakavy, avy eo izy vao nanao sesitany politika ny tenany tatsy Afrika Atsimo, ary ny 13 oktobra 2014 indray vao tafaverina soa aman-tsara eto an-tanindrazana indray.



    Isambilo / http://gvalosoa.com

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...