menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • Fampitahana ireo mpitondra nifandimby teto Madagasikara


    mpitondra-filoha-madagasikara.jpg
    Ireo filoham-pirenena sy/na mpitantana nifandimby teto Madagasikara ~ sary: RFI
    Ety ampiandohàna dia tsara ny manamarika avy hatrany fa somary lava ny lahatsoratra nefa tsy mahafaty antoka ny mahafoy fotoana kely hamakiana azy hatramin'ny farany. Ity lahatsoratra ity dia miendrika fampitahàna sy fanadihadiana izay mampiseho ireo pitsopitsony ara-tantara nampiavaka ireo karazana mpitondra sy fitondràna nifandimby teto Madagasikara nanomboka tamin'ny Repoblika voalohany, izay teo ambany fitondràn'ny antoko PSD ka mandraka ankehitriny. Nanao ahoana ny endri-pitondràna sy ny fiainam-bahoaka ary ny fivoaran'izany tao anatin'ireo karazam-pitondràna nifandimby? Manoloana ny toe-draharaha politika misy ankehitriny dia tena ilaina, indrindra ho an'ireo tanora, ny mahafantatra na dia amin'ny ambangovangony ihany aza ny tantaram-pirenena.


    Sarotra ny manome famaritana ireo tranga isan-karazany eto amin’ity Firenena milona ao anatin’ny honahona ifangaroan’ny dinta mpitsetsitra sy ny olitra matavin’ny fitrohana ny nofo velona ary ny atody moka mitondra izao karazan-tazo rehetra izao. Tsy mbola nisy toa izao iainana izao tokoa ny toe-draharaha teto amin’ity Nosy ity na dia midradradradra etsy sy eroa aza ny tandapa sy ny mpanohana ny fitondrana fa ireo nitantana nifandimby tao anatin’ny dimampolo taona mahery no fototr’izany.

    Tsara araka izany ny manao tamberina izay niainan’ny Malagasy teo amin’ny lafiny rehetra: politika, ekonomika, sosialy (fahasalamana, fampianarana), fiarahamonina sy fandriampahalemana ary ny serasera, nialohan’ny taona 2009, izany hoe nandritra ny Repoblika I, Faha-II, Faha-III-1 sy 2 ary 3, 49 taona izany.

    Naharitra roambinifolo taona, efatra ambinifolo taona no marina kokoa, ny Repoblika 1 satria ny 14 Oktobra 1958 no nanambarana fa nijoro ny Repoblika Malagasy. Azo lazaina fa tsy nanana olana teo amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy, ankoatry ny sehatra politika sy toekarena, nandritra izany fotoana izany. Ny mpanjanaka no nibaiko ny fitondrana teo amin’ny politika nitantanana ny Firenena sy ny fifandraisana tamin’ny firenen-kafa. Mazava ho azy fa saika mpikambana tao amin’ny antokon’ny fitondrana, PSD, ny tao amin’ny governemanta sy ny Antenimieram-pirenena ary ny Antenimieran-doholona. Ny sehatry ny toekarena indray dia an’ny vahiny (voanjo) avokoa ny tany midadasika mamokatra rehetra. 

    An-dry zareo ihany koa ny ozinina fanodinana ny vokatra sy ny orinasa mpanondrana entana any ivelany. Toa tsy nampaninona ny gasy loatra izany satria vitsy ny olompirenena liana teo amin’ny fanaovana politika ary tsy mbola nirona tamin’ny fanorenana ozinina ihany koa ny mpanambola tamin’izany fotoana izany. Tsy nampiraika ny gasy koa ireo sehatra roa ireo satria, angamba, tsy nanana olana izy teo amin’ny lafiny hafa. 

    Raha ny fiainana ara-tsosialy no jerena dia maimaimpoana ny fandratoana fianarana tany amin’ny sekolim-panjakana (écoles publiques) teo amin’ny ambaratonga rehetra. Nisy aza ireo mpianatra, nanana ray aman-dreny sahirana ara-pivelomana, tany amin’ny ambaratonga faharoa, nanomboka tamin’ny kilasy fahaenina (lycée) nisitraka ny “sécours scolaire” izay karazana vatsim-pianarana. Ny fitsaboan-tena teny amin’ireo hopitaly sy dispansera dia tsy nandoavana sarany na iraimbilanja aza ho an’ny olompirenena tsy ankanavaka. 

    Tsy nisy ny tsolotra tamin’ireny fifaninana niditra teny amin’ireo sekoly ambony nisy tamin’izany (ENAM,…). Tsy sahirana ny vahoaka ara-tsakafo satria ambony dia ambony ny fahefa-mividiny ary saika nahavita trano avokoa ny mpiasa na teo amin’ny sehatra miankina na tsia. Afaka nivezivezy an-kahalalahana ny olona na tamin’ny andro alina aza satria tsy nisy ny mpanendaka sy ny mpamono olona. Ny zava-nisy teo amin’ny Tafika Malagasy indray dia tsy nisy fitongilanana ny fanondrotana grady satria saika tany am-pita, Frantsa, avokoa ireo manamboninahitra tamin’izany no nianatra. Tsy nahitana miaramila nanao “tenue bordelle” satria nisy hatrany ireo nantsoina hoe “police militaire” izay nandehandeha eran’ny tanàna. 

    Azo lazaina ihany koa fa tsy nisy ny halatr’omby tany amin’ny faritany ary araka ny fantatra dia nitovy tamin’ny isan’ny mponina ny isan’ny omby. Tsy nahenoana fangalana an-keriny sy fanolanana ihany koa tamin’izany. Ny olana lehibe anisan’ny nisongadina teto amin’ny Firenena nandritra ny Repoblika I anefa dia ny tsy nisian’ny fahafahana naneho hevitra sy namoaka vaovao nanaratsy ny mpitondra ary ny tena zava-doza dia betsaka ny mpanao gazety niditra am-ponja noho ny lahatsoratra, tsy maintsy nandalo sivana koa ny gazety an-tsoratra vao azo atao printy. Tsara ho marihana anefa fa ny fampiasan-kery nentina namoretana izay noheverin’ny mpitondra fa nanozongozona ny fahefam-panjakana no anisan’ny nampidaraboka ny Repoblika I. Asongadina manokana amin’izany ny tranga teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey sy ny fisamborana ireo mpianatry ny ambaratonga ambony sy ny fandefasana azy ireny sesintany tany Nosilava.

    Naharitra taona maro, 1976-1991, ny Repoblika II. Tolom-piavotana moa no filamatra ary ny firafitr’ireo firenena tatsinana no najoro teto Madagasikara ka ny Boky Mena no tari-dàlana teo amin’ny sehatra rehetra. Tsara hasongadina ny lafiny fampianarana satria maimaimpoana ihany koa ny tany amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa ka afaka nanovo fahaizana avokoa ny ankizy malagasy izay te-hanao izany. Tamin’izany Repoblika II izany ihany koa no nanorenana ireo oniversite isam-paritany. Teo amin’ny lafiny vatism-pianarana ho any ivelany indray dia ny tao amin’ny fitondrana ihany no nisivana izany ka ireo mpikambana tao amin’ny Filankevitra Faratampon’ny Tolompiavotana (CSR) no nandefa izay tiany. Valoambinifolo no mpikambana tao izay iray isaky ny foko izany. 

    Toy izany koa ny fidirana tao amin’ny Akademia Miaramila izay nametrahana ny nantsoina hoe “équilibre éthnique”. Izay lava-tànana ihany no afaka nampiditra ny zanany na ny havany tao amin’ireo sekoly fiofanana ho mpiasam-panjakana (ENAM,…). Tsy kolikoly no nanjaka tamin’izany fa ny resaka mpiray fihaviana sy finamàna (népotisme, favoritisme) ary ny “tsolotra”. Teo amin’ny lafiny sosialy ihany dia mbola maimaimpoana ihany koa ny fitsaboana teny amin’ireo tobim-pahasalamana rehetra. Tamin’izany fotoana izany koa no natsangan’ny fitondrana revolisionera ny “Tsaky Pop” satria nitontogana izay tsy izy ny fari-piainan’ny gasy ary tetsy andanin’izany koa ny filaharana teny amin’ny biraom-pokontany ny kojakoja ilain’ny mponina andavanadro (vary, menaka,…). 

    Ny sehatra ekonomika sy fihariana kosa dia natsangana ny koperativa sosialista tany amin’ny fokontany izay tsy nihodina loatra satria nanangana ny azy ny antokon’ny fitondrana dia ny Koparema izay nibodo tany midadasika mamokatra. Ny varotra sy ny fanjifana kosa dia napetraka ny ROSO sy ny SOMACODIS. Ny azo lazaina dia rava ho azy izy ireny satria nibahanan’ny olom-pantatry ny manampahefana avokoa no nitantana azy ka bakirompotra no niafarany. Araka ny atontan’isa navoaka tamin’izany dia toa nitombo manodidina ny efatra isan-jato ny harin-karena faobe tamin’izany fotoana izany. 

    Niaraha-niaina fa nomena tombony manokana ny tao amin’ny “tafi-bahoaka” ka lasa “mpitolona manao fanamiana” no niantsoana azy. Natahoran’ny Malagasy tokoa ireo mpiambina ny filoham-pirenena (RESEP) sy ny polisy politika (DGIDE). Azo lazaina kosa fa tsy nisy ny fanafihana mitam-piadiana tranon’olontsotra sy ny fakana an-keriny saingy tsara hampahatsiahivina ny fanafihana “wagon postal” izay tsy fantatra ny niafaran’ny raharaha. Ny sehatra politika indray dia nanjakan’ny Arema tanteraka ny tanàna na dia teo aza ireo antoko politika enina niaraka tao amin’ny Mandatehezana Miaro nyTolompiavotana (Front National pour la Défense de la Révolition) izay samy nanana mpikambana tao amn’ny governemanta sy ny Filankevitra Faratampon’ny Tolompiavotana.

    Nisy koa ny ahiahin’ny mpitondra momba ny fanonganam-panjakana ka nandalo fitsarana ireo voampanga tamin’izany. Nampidaraboka ny Repoblika II ihany koa ny fampiasan-kery tamin’ny “Diaben’ny Fanafahana” ny 10 Aogositra 1991. Tamin’ny endriny ivelany dia toa niravona ihany ny disadisa politika taorian’ity tranga ity tamin’ny alàlan’ny “Convention du 31 Octobre” kanefa tsy nampiova ny fifandrafiana teo amin’ny politisiana gasy izany. Ny haino aman-jery koa dia nibahanan’ny mpitondra satria toa tsy nisy rahateo ny antoko mpanohitra sahy nijoro ankoatry ny an’i Monja Jaona. Rehefa rava ny Repoblika faharoa dia nitresatresaka koa ireo antoko politika niaradia tamin’ny revolisiona.

    Tsy misy zavatra azo lazaina loatra ny zava-nisy tamin’ny Repoblika III-1 sy 2 satria nitohy nitontongana ny fiainan’ny Malagasy. Tsy nanana politika mazava nitantanana ny Firenena ireo mpitondra tamin’izany ka tsy nahagaga raha naongan’ny depiote ny Pr. Zafy Albert. Ny tsapa anefa dia nivadika ho fanjakan’ny baroa ilay “demokrasia” nandrandraina ka zary nirongatra ny asan-jiolahy sy gaboraraka teo amin’ny sehatra rehetra. Nahatsiaro ho afaka tamin’ny geja sy ny teritery rehetra koa, angamba, ny gasy ka nanao izay tiany natao. Ny nataon’ny mpitondra ny Repoblika III-2 vao tonga teo amin’ny fitondra dia ny nanadio ny Lalàmpanorenana (toilettage), izany hoe nanaisotra ilay andininy nanome fahefana ny depiote hanongana ny filoha am-perinasa. Azo lazaina fa nalalaka kosa ny fanehoan-kevitra sy asa fanaovan-gazety satria maro ireo onjampeo tsy miankina nisokatra.

    Raha hanaovana jery todika kosa ny Repoblika III-3 dia nanana ny politikam-pitantanana ny Firenena mazava tsara ny mpitondra tamin’ny alàlan’ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP). Nahasahana ny sehatra rehetra ity “vina” ity. Tsy mbola nisy harin-karena faobe nahatratra fito isan-jato mahery ny Repoblika nifandimby tao anatin’ny efapolo taona taorian’ny niverenan’ny “fahaleovantena”. 

    Asongadina manokana ny asa fanamboaran-dàlana nahatratra an’arivony kilometatra. Ny nananganana ny “Faritra” izay vondrom-bahoaka tena nanapariahana ny fahefana tokoa raha nampiharina tamin’ny alàlan’ilay “Programam-pirenena itsinjaram-pahefana sy ny fanapariahana ny asam-panjakana” (Programme National pour la Décentralisation et la Déconcentration). Nisy ny “vitrine” ho an’ny tantsaha ho famporisihana azy amin’ny famokaram-bary indrindra indrindra. 

    Natao ny ezaka nampidirana ny ankizy Malagasy rehetra an-tsekoly. Natsangana ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO). Hampatsiahivina ilay fitenenana nataon’ny filoha Ravalomanana Marc hoe: “Ny vola misy fa ny hampiasàna azy no tsy fantatra”. Famporisihana ireo mpandraharaha gasy hanangana orinasa izany. Nisy koa ny “Rapid Result Initiative” (RRI) izay nametrahana tetikasa tany amin’ireo sampan-draharaha izay noheverina fa nilàna fantanterahana asa maika, anisan’ireny ny ao amin’ny Fitsarana. Tsy ilaina ny mitanisa ny ezaka rehetra notanterahina tamin’ny Repoblika III-3 fa niaraha-niaina izany. Tsy fampanantenana poakaty no nilazana fa hahazo fiara 4L ny isam-baravarana satria niankina amin’ny tsirairay izany ary azo inoana fa tanteraka raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana. Na izany aza, nisy ihany ny lesoka teo amin’ny fitantanana ny Firenena, ary teo amin’ny mpiara-miasa tamin’ny Filoha ihany no nahitana izany satria nampiasa ny kinamanamana izy ireny, indrindra tany amin’ireo minisitera sasany, ka tsy nojerena ireo teknisiana am-perinasa fa nalatsaka avy any ambony any ny fanendrena mpiasa nitazona toerana ambony, ary nalaza tamin’izany ny fanomezana anarana hoe “zanak’i Dada”.

    Tsy nifarana teo anefa ny tantaran’ity Firenena ity ka tsiahivina koa ny fiainan-dRamalagasy taorian’ny fanonganam-panjakana. Amin’ny ankapobeny dia tsy nisy nandray izay fomba fitantanana miabo avy tamin’ireo mpitondra teo aloha, na ny tetezamita na ny Repoblika IV ka nitsororika any amin’ny lavaka mangitsokitsoka ny Firenena Malagasy. Eo amin’ny lafiny sosialy dia andoavam-bola avokoa ny fitsaboana, ny fianarana aty amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa. Tsy misy intsony ny fandriampahalemana ka manjaka ny asan-dahalo, ny asan-jiolahy sy ny fanafihana mitam-piadiana ary ny fakana an-keriny. Zary lasa kolontsaina eo amin’ny fiarahamonina ny kolikoly any amin’ny sehatra rehetra: fanaovana taratasy any amin’ny biraom-panjakana, fanadinana isan-karazany, Ny politisiana dia ao no tsy mikatsaka afa tsy ny tombotsoa ho an’ny tenany. Mifankahala ny samy Malagasy. Tsy misy manara-dalàna intsony ny fampiakarana grady eo amin’ny tafika satria natao fitaovana iarovana ny mpitondra izy ireny fa tsy fiarovana ny vahoaka sy ny fananany intsony.

    Manjaka ny trafika isan-karazany ary ny tandapa no tena manampahefana ambony eto amin’ny Firenena no tena manao izany. Tsy mahatoky ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony ny mponina ka fitsaram-bahoaka no hita etsy sy eroa. Mahantra fadiranovana ny vahoaka ka na ny vary harapaka aza tsy voavidy intsony. Araka izany dia tsy afaka milaza mihitsy ny fitondrana ankehitriny fa tarazon’ny lesoka teo amin’ny fitantanan’ireo mpitondra nifandimby izao zava-doza mihatra amin’ny Firenena izao. Vao omaly ny omaly ny filohan’ny Repoblika IV no niantso fifanomezan-tànana hampandrosoana ny Firenena, kanefa tsy hisy izany satria tsy misy fitoniana ara-politika eto noho ny tsy fisian’ny fampihavanam-pirenena tena izy. Tsy hifandray tànana velively ny olona mifankahala sy mifanenjika ary mifanao antsojay. Na tamin’ny Repoblika I aza tsy azo oharina amin’izao teritery amin’ny fanehoan-kevitra sy fanaovan-gazety izao. Tsy ny fanilihana andraikitra no hahavaha ny olana sy hampitsahatra izao fahalovana mikiky ny Firenena izao fa ny fanetren-tena sy fanekena fa tsy mahomby ny fitantanana satria “ny heloka hibabohana, hono, mody rariny”. Efa manomboka mihoatra ny rano ao anaty vera ka raha izao no mitohy dia tsy ho ela dia tsy ho tàna intsony ny fitobahany.

    Andry Tsiavalonahttp://gvalosoa.com

    5 commentaires:

    1. Misaotra nizara sy nampatsiahy tantara. Mazava be fa i Ratsiraka sy Rajoelina no mpitondra namotika firenena indrindra.Samia mahay misintona lesona daholo mba tsy hamerina ireo fahadisoana intsony. Tompon'andraikitra koa isika vahoaka fa tsy ny mpitondra ihany.

      RépondreSupprimer
    2. Samy manana ny fomba fitadidiany sy fijeriny ny tantara ny tsirairay fa ny tena iombonako hevitra amin'ity lahatsoratra ity dia nahafinaritra kokoa ary niaina tsara lavitra ny Malagasy tamin'ny fitondràn'ny Président Tsiranana sy Ravalomanana. Efa nisy fanantenana lehibe ary efa tena azo notsapain-tanana ny fandrosoana sy ny fivoatry ny fiainan'ny malagasy tamin'ny andron-dRavalomanana.Saingy indrisy fa tapaka tampoka izany vokatry ny fanonganam-panjakana nataon-dRajoelina ary ny tena zava-doza dia tsy tafarina intsony mihitsy fa vao maika nilentika sy nihamaizina @'izao fitondran-dRajaonarimampianina izao.

      RépondreSupprimer
    3. NOheveriko fa mba tena ny zava-misy no tantaraina, pfff.... hita be oe mpanohana an Ravalo.

      RépondreSupprimer
    4. Ary ilay milaza fa olona tia tanindrazana sady mamim-bahoaka nanongam-panjakana teto toa tsy tamana eto @'lay tanindrazana akory nefa eto daholo ireo vahoaka nampanantenaina volana sy kintana t@ 2009 milalao tanana sy manofinofy vary 500 ny KG fotsiny sisa?Sa nentin'iny lalan'iny any Dubai sy France any dia mandany ny azo any aloha mandra-pa? Raha tena tia tanindrazana marina zandry kely dia miara-mitakosina @ vahoaka nampahantrainy eto. tsy nisy nandroaka azy teto fa na izy sy tia tanindrazana na misy zavatra maha mahana azy eto. Ny azo antka aloha dia tsy ho lanin'izy sy ny taranany vetivety ny harem-be nentiny any.sa innon no tsy marina am'zany? Voky izy dia natory, zava-bita nefa boribory ary hatram'zao ny firenena miaina anaty sorisory...

      RépondreSupprimer
    5. Malahelo anao aho ry Madagasikarako fa eo ampela-tanan'ny jiolahy tanteraka ianao ankehitriny. politikan'ny seho ivelany no manjaka am'zao fitondrana izao fa tsy misy tena fitsinjovana ny fiainam-bahoaka madinika marina.Ry mpanam-bola iany no mahazo vahana sy miha manakarena isanandro fa ny madinika lany andro milahatra rano, totofana tanimbary ary mosy ampirevena kely @ revirevy mandalo avy eo. Aiza no hiafaran'ty firenena ity raha izao no mitohy?

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...