Isan’ny Ministera bodoin’i TGV sy ny ekipany ny Ministeran’ny Vola sy ny teti-bola ary nahavitana “tapage médiatique”mihitsy ny fanadiovana an’i Hery Rajaonarimampianina izay mitana io andraikitra io ankehitriny.
Arak’ireto antotan-taratasy zaraina amintsika ireto dia mazava ny antony tsy ahafoizan’i TGV an’ity mpiara-miombon’antoka aminy ity. Nolazaina fa azo antoka sy madio Rajaonarimampianina saingy voaporofo ankehitriny fa mifampisasaka amin’i TGV ity Ministra FATE ity indrindra amin’ny fanodikodinana volam-bahoaka sy ny fanondranana andramena. Anjaran’ny isam-batan’olona no mieritreritra aorian’izany ny fanapahan-kevitra tokony horaisiny satria tena fahavalom-pirenena ny olona toa itony.
“Compte de dépôt” (taratasy voalohany)
Ity karazana petra-bola iray ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana ity dia tsy azo sokafana raha tsy mahazo alalalana avy amin’ny ministeran’ny vola ary natao handoavana trosa amina kaonty iray misokatra ao amin’ny “trésor” ihany. Taratasimbola fampiasa ao amin’ity sampan-draharaha ity no ampiasaina amin’izany ary tsy ilana fanamarinana.Misy kosa anefa ny fampiasam-bola voafetra azahoana mampiasa ity karazana kaonty ity. Ny taona 2009 anefa dia nandrotsaka 128 500 tapitrisa Ariary ny minisitry ny vola sy ny teti-bola ka ny 56 miliara amin’io dia natokana ho an’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana izay iandraketan’I Hajo Andrianainarivelo. Ny 2010 kosa dia 245 400 tapitrisa no narotsaka ka ny 200 miliara Ariary dia natokana ho an’ny “présidence de la HAT”. Ny taratasy voalohany io dia mamaritra avy hatrany ny tsy fanajana ireo lalàna mifehy irey petra-bola maharitra ireny eo amin’ny fandraharaha ara-panjakana.
Fanondranana Andramena (Taratsy faharoa)
Antotan-taratasy roa matevina tsara no zaraina amintsika hanaporofoana fa tsy afa-bela amin’ny resaka andramena ny ministrin’ny vola izay arovan’I TGV fatratra. Ny volana Novambra 2009 dia vola mitetina 6 miliara sy 375 tapitrisa no nokirakirain’ity ministra ity sy ny ministeran’ny tontolo iaina hanomezana fazahoan-dalana manokana hanondrana andramena tamina mpandraharaha telo samy hafa ary andramena 75 kontenera no tafavoka noho izany.
Orinasa iray avy any Toamasina mitondra ny anarana hoe “Société MIARAKA” (taratasy fahatelo) kosa no nifandraharaha tamin’ity Ministeran’ny Vola ity mikasika ny fazahoan-dalana hanondrana ity hazo sarobidy ity. Vola 10 tapitrisa Ariary isakin’ny kontenera no azon’ity Ministra noho ny fiarahany misasaka amin’ity orinasa ity. Raha ny sioision-dresaka mandeha dia an’ny anabavin’i TGV ity orinasa MIARAKA ity.
Loharanom-baovao: http://collectif-gtt.org/
Ny tena mampalahelo dia ireo tena rain-dahiny mpanao ratsy sy fahavalom-pirenena dia afakafaka foana tsy mba voatohitohina mihitsy ohatra an-dry Rajoelina izay anisan'ny mpanongam-panjakana nahavita nanodina sy nangalatra volam-panjakana sy harem-bahoaka be indrindra taty Afrika nefa dia miaina tsara tsy misy ahiahy any Frantsa ankeitriny ary tsy mba toarana tsotsotra no misy azy fa any @ faritra be mpanakarem-be indrindra any Eoropa (anelanelan'i Frantsa sy Allemagne). Marihina fa vitsy dia vitsy ireo olon-tsotra afaka mpetraka any fa ireo mpanefoefo no afaka miaina any @'io faritra io. Ankoatr'izay dia firifiry moa ny trano sy fananan-dRajoelina any Europe, Asie, Dubai ankehitriny? Ireny rehetra ireny dia avela hilamina fotsiny amzao ve? Ny vahoaka malagasy eto na ny hoaniny aza tsy misy satria tsy vitan'ny efa nahantra fa mbola nampahantraina koa. Occasion goavana azo hararaotina hiraisan'ny vahoaka hina ity affaire Claudine ity (ampiana ny BIANCO sy izay mpitsara rehetra sahy mijoro) mba hamaliana faty ireo mpanao politika sy mpanam-bola @ halatra. Mila mifoha syb mandray andraikitra isika vahoaka ary tonga angamba izany fotoana izany ankehitriny.
RépondreSupprimerAndriamanitra tsy andrin'izy reny andrintsika foana e.Manan-jiny anie ireo harem-pirenena nangalariny e.Izy aza tsy menatra sy tsy matahotra hamelim-bady aman-janaka @ harem-be tsy nisasarany.
SupprimerMbola halaina reny raha voaporofo fa fananan malagasy hi hi hi
Supprimerexpert comptable mpangalatra. aza gaga mitsy tsika hoe fa maninona i Claudine no tsara mpiaro. izy mianakavy kay mitovy taranja daholo,samy mpangalatra volam-bahoaka ka tsy atao mahagaga raha izao no manjo ny firenena sisa.Adalatsika vahoaka raha mbola hifidy olon-dratsy tsy matahotra an'Andriamanitra ohatr'ireny ihany isika @ fifidianana manaraka.
RépondreSupprimer