menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • "Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fanapotehana an’i Madagasikara aho" - Marc Ravalomanana: Ketrehana mafy ny hisamborana azy


    ravalomanana-vahoaka-betafo-tim.jpg
    "Ny andro rehetra sisa hiainako dia hatokako hanasoavako ny Fireneko sy ny mpiray Tanindrazana amiko"

    Nanamafy omaly alatsinainy nandritra ny lanonana noho ny asaramanitry ny taom-baovao niarahany tamin’ireo fianakaviany, mpiara-miasa akaiky aminy, tapaka sy namana tsy mahafoy azy teny Faravohitra i Marc Ravalomanana fa kandida filoham-pirenena ary tsy hampihemotra azy mihitsy ny fandrahonana atao aminy. Ajoro ihany koa ny Komity manohana an’i Marc Ravalomanana (KMMR) ary vonona ny tenany hiara-kiasa amin’ny fikambanana na antoko politika manana vina mitovy aminy sy tena vonona amin’ny fanarenana ny firenena.

    Mijoro ho kandidan’ny Malagasy, kandidan’ny Fampihavanana i Marc Ravalomanana. Ny fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana, hoy izy ary ambony noho ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ny fifanarahana politika . 

    Tsy maintsy miasa miaraka isika ho amin’ny fanarenana ny firenena , hoy izy, tsy maintsy miray hina satria ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Misy antony matoa mamerimberina i Marc Ravalomanana hoe : « tsy hihemotra manoloana ny fandrahonana »… Re tokoa mantsy fa misy efa miketrika sy mikaroka ny fomba hisamborana azy indray any ambadimbadika any, ka tafiditra ao anatin’ny paikady amin’izany ny fikitikitihana ny raharaha 7 febroary 2009; mazava ho azy fa tsy maintsy ny manana fahefana izany hoe ny fitondram-panjakana no hanao izany fa tsy olon-kafa tsy akory. 


    Fantatra fa tena tsy nahafaly ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM sy ny fitondram-panjakana ao ny fanambarana matetika ataon’ity filoha teo aloha ity izay mahitsy sy mazava tsara ary feno fahasahiana milaza ny tsy mety eo amin’ny fitantanana ny firenena. Tsy mijanona amin’ny fanakianana na fanairana fotsiny anefa i Marc Ravalomanana fa mikaroka ary manana vahaolana ka izay no anton’ilay filatsahan-kofidiana. 

    Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fanapotehana an’i Madagasikara aho, hoy izy ary ny andro iainako sisa rehetra dia atokako hanasoavana ny fireneko sy ny mpiray tanindrazana amiko.

    Efa tsinjon’ny mpitondra ankehitriny fa matanjaka amin’ny lafiny rehetra i Marc Ravalomanana ka hany sisa hery dia ny fandrahonana na ny fanagadrana azy. Tsy vao omaly anefa no nanao politika ity filoha teo aloha ity, ary maro no mahita fa hijabaka ny fitondrana HVM raha mikitikitika an’i Marc Ravalomanana eo satria ity farany dia efa niomana.


    http://www.tiatanindrazana.com

    1 commentaire:

    1. Sady mahita Andriamanitra no mijery izao fahantrana lalina izao. Raha misy ny FITIAVANA sy ny FAHAMARINANA dia minoa fotsiny ihany, Tsy misy tsy hainy, fa ny zanany tsy maintsy mandalo fisedrana.

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...