28 Mars 2009: Tao anaty herisetra sy feom-basy. Nijoro hiaro ny demokrasia ny malagasy (VIDEO+SARY)
Nijoro ho an'ny Tanindrazana sy amin'ny maha olom-pirenena azy i Razily.
Daty manjombona voarakitra ao anatin'ny tantaram-pirenena ny andron'ny 28 martsa 2009. Andro izay nanamarika tanteraka ny fahapotehana sy faharavàn'ny demokrasia teto Madagasikara. Voahitsakitsaka sy rava nanaraka izany koa ny zon'olombelona sy ny hasin'ny Firenena satria dia niditra an-tsehatra tamin'ny fampiasan-kery mahery vaika ny mpanongam-panjakàna izay notarihan'i Andry Rajoelina. Gina sy tampina tanteraka teo ny feon'ny vahoaka izay nijoro hiaro ny demokrasia sy ny zon'izy ireo satria dia ny hery ara-tafika sy ny feom-basy avy hatrany no namaly botana izany. Nijoro ho an'ny Filoha Marc Ravalomanana sy ho an'ny Firenena ireo vahoaka saingy herim-pamoretana tsy mifaditrovana sy feno habibiana no nitsena sy nampihorohoro izany.
Indro averina amitsika vetivety ity horonan-tsary amin’ny fiteny frantsay ity mampiseho sy mampatsiahy ny zava-nisy tamin'io fotoana io.
Ireo andian-tsary vitsivitsy nanamarika sy mitantara io vanin'andro io. (Sary nalaina tao amin'ny http://www.topmada.com)
Vahoaka tanam-polo sady betsaka vehivavy dia sahin'ireto miaramila tsy mifaditrovana tsy matahotra an'Andriamanitra ireto ny mitifitra sy mampiasa herisetra aminy. Miaramila biby sy mifoka rongony mihitsy.
RépondreSupprimerTegna mampalaheflo ny zapatea niseho. Ary tsisy gaga isika mpanohana ny filoha Ravalomanana raha otran'izao ny fijaliagna mianjady amin'ny Nosy Malalantsika amin'izao.
RépondreSupprimer