Noana sy mahantra ny Malagasy ka mila vahaolana maika sy matotra. |
Marary ny Firenena, marary i Madagasikara. Tsy mbola tafalatsaka lalina anaty fahantràna toy izao ny vahoaka malagasy; ary indrisy fa efa lasa fahazaran-dratsy sisa ankehitriny ny maheno fa isan'ireo Firenena mahantra indrindra eto ambonin'ny tany i Madagasikara. Iza no tompon'andraikitra? Inona no vahaolana? Ny azo antoka raha itodihana kely ny tantara dia efa nisy ihany teto ny hazavàna nitsilopy sy fanantenana nitsiry tao anatin'ny malagasy tsirairay saingy nitsahatra tampoka toy ny sosoa voatapo-drano izany taorian'ny fanonganam-panjakàna navaivay nitranga izay mbola mampitondra takaitra ny Firenena sy ny fiainam-bahoaka mandraka ankehitriny.
Niala an'Ankatso dia Ambohidempona: Niala mpanongam-panjakàna dia fotoam-bita amin'ny fahantràna
Maro amin'ireo mpandinika ara-toekarena no miray feo fa ny zava-misy ankehitriny dia tohiny sy voka-dratsy avy amin'ny fanonganam-panjakàna izay nitranga tamin'ny taona 2009. Anisan'ny foto-kevitra goavana novohizin'ny mpanongam-panjakàna tamin'izany fotoana izany ny fampanantenana fiainana tsaratsara kokoa ho an'ny malagasy toy ny fampihenàna ny vidim-bary ho diman-jato ariary ny kilao, fampanjakàna ny demokrasia, fanokafana ny sehatra ara-barotra izay nolazaina fa nogejain'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, sns ...
Hoy indrindra ny Profesora Adolphe E. Rakotomanga, filohan’ny fikambanana « Force de l’Education et de la Recherche » sady Minisitry ny Fampianarana ambony taloha, nanoloana ny fanonganam-panjakàna feno habibiana sy namoha-fady teto amin'ny Firenena ny taona 2009 ao amin'ilay lahantsoratra mitondra ny lohateny hoe: Ny andraikitr’i Lafrantsa amin’ny krizy eto Madagasikara - Réflexion du Pr Adolphe E. Rakotomanga
"Misaona ny aty fo amam-panahinay hatramin’ny 17 Mars 2009 no mankaty, andro nilatsahan’ny loza amin’antambo tamin’i Madagasikara, ka niteraka faharavana sady haingana no tsy azo ivalozana: faharavana eo amin’ny lafiny fitondran-tena, politika, fihariana, fiaraha-monina, kolontsaina. Tsy misy ahafantarana azy intsony ireo andrim-panjakana, ary ny demokrasia dia noviraviraina ka zary toy ny voro-damba rovitra maharikoriko. Taorian’ny 1947 dia miaina ny vanim-potoana maizina indrindra i Madagasikara ary tsy misy valaka amin’ny firenena voanjoin’ny hafa*, toa an’i Lafrantsa fahizay tamin’ny andron’ny fitondrana nazi (1939 – 1945)." ~ Pr Adolphe E. Rakotomanga
Matoa manongam-panjakàna, indrindra fa natao tamin-kerisetra sy fomba feno habibiana ilay izy, dia efa manana antoka sy toky fa mahavita tsaratsara lavitra noho ilay fanjakàna nahongana satria dia aim-bahoaka sy aim-pirenena no kirakiraina ao anatin'izany. Noho izany dia tompon'andraikitra feno amin'izay voka-dratsy rehetra aterany ireo mpanongam-panjakàna.
Indro fampitahàna tsotsotra nandritra ny fitondràna Ravalomanana sy tetezamita Rajoelina
Naharitra fito taona ny fitondràna Ravalomanana: Dimy taona niampy ny fitondràna roa taona tapany faharoa izay notapahan'ny fanonganam-panjakàna.
Fotodrafitrasa maro, làlana maherin'ny 9000 KM vita tara (goudron)... |
Nandritra io fito taona io dia:
➤ Tafiakatra maherin'ny 1,4 Miliara vola dollars amerikana (1,4 milliards de dollars) ny tahirim-bolan'ny fanjakàna Malagasy tao amin'ny banky foiben'i Madagasikara raha 200 tapitrisa dollars (200 millions de dollars) monja izany ny taona 2003.
➤ Tafiakatra 7,1% ny fisondrotry ny harikarena faobe teto Madagasikara ny taona 2008 raha manodidina ny 6,8% izany manerana an'i Afrika. Izany hoe isan'ny Firenena lohalaharana i Madagasikara taty afrika ary efa teo an-dalam-pivoahana tamin'ireo Firenena mahantra indrindra taty Afrika.
➤ Nijanona teo amin'ny 9,4% ny sondro-bidim-piainana raha tafakatra 12% izany manerana an'i Afrika.
➤ Ny taona 2005 no vita ny fanamboarana ilay seranan-tsambo goavana ao Fort-Dauphin. Seranan-tsambo izay tsy mena-mitaha amin'ireo seranan-tsabo goavana aty Afrika.
➤ Nahazo fanampiana ara-pitaovana avokoa ireo mpianatra malagasy (kits scolaires), ary niakatra ambony dia ambony ny isan'ny ankizy malagasy niditra an-tsekoly.
➤ Anisan'ny lahara-pahamehanan'ny fitondràna ny fanamboaran-dàlana. Nahatratra 9000 Km ny làlana vita tara manerana an'i Madagasikara. Nanamora ny famoaham-bokatr'ireo tantsaha sy ny fivezivezen'ireo mpitatitra maro isan-karazany manerana ny Nosy. Marihina fa tao anatin'ny fito taona dia betsaka lavitra ny làlana vita raha noharina tamin'ireo fitondràna maro nifanesy teo aloha izay naharitra efa-polo mahery. Raha itarina kely ny fanoharana dia 1000 Km monja ohatra no làlana vitan'ny filoha teo aloha Omar Bongo nandritra ny efa-polo taona nitondràny.
Nanoloana ireo mariky ny fandrosoana azo tsapain-tanana nandritra ny fitondràna Ravalomanana ireo dia tsy nisalasala ny mpamatsy vola iraisam-pirenena (Banque Mondiale) nanamafy fa "Tsy mbola nandroso toy izao i Madagasikara teo amin'ny tantarany".
Niroborobo tanteraka ny fiaraha-miasa tamin'ireo Firenen-dehibe sy matanjaka maro toa an'i Canada, Chine, Etats-Unis, France, Allemagne, sns...Ary nanamora sy nanafaingana ny famoronan'asa teto Madagasikara izany.
Nampidirina ary nohamafisina ho isan'ireo fiteny fampianarana sy fiteny fampiasa ofisialy milahatra amin'ny fiteny malagasy sy fratsay ny fiteny anglisy. nanomboka teo dia nitombo sy niroborobo ny isan'ny malagasy sy mpianatra malagasy mahafehy amin'ny ampahany na manontolo ny fiteny anglisy. Anisan'ny fanalahidy nanampy an'i Madagasikara hiditra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fanatontoloana izany.
Anisan'ny lahara-pahamehan'ny fitondràna tamin'izany koa ny fikolokoloana sy fikarakaràna ireo orinasam-panjakàna toa ny Air Madagascar sy ny JIRAMA. Nisy ny fifanakalozana traikefa sy fifanampiana niarahana tamin'ireo orinasa vahiny sy manam-pahaizana manokana iraisam-pirenena tamin'izany mba hamelomana sy hampiroboroboana hatrany ireo orinasa malagasy ireo.
Ny taona 2009 dia nanana vina hanangana banky Malagasy ny fitondràna Ravalomanana. Sehatra izay mbola voageja sy eo ampela-tanàn'ireo vahiny (frantsay) mandraka ankehitriny.
Tsara ny manamarika fa ny ambim-bava ara-toekarena izay voatahiry nandritra ny fitondràna Ravalomanana no nentin'ireo mpanongam-panjakàna nandimby azy nampihodina ny tetezamita.
Tsy ilaina intsony angamba ny mampatsiahy eto fa nijanona tampoka ny fampandrosoana izay nihazakazaka mafy nandritra ny fito taona vao nigadona fotsiny ny taona 2009 izay nidiran'ny tetezamita Rajoelina an-tsehatra.
Nanomboka hatreo dia niiba avy hatrany ny tarehimarika ara-ekonomika rehetra ary iarahan'ny rehetra mahalala ny tohiny sy ny voka-dratsiny amin'izao fotoana izao.
Raha eo amin'ny sehatry ny kolikoly fotsiny ohatra no resahana, araka ny tarehimarika navoakan'ny "Transparency International", dia tamin'ny fitondràna Ravalomanana no ambany indrindra ny tahan'ny fanaovana kolikoly teto Madagasikara. Ny tetezamita Rajoelina kosa dia nampidangana izany tanteraka satria avy any amin'ny laharana faha 99 i Madagasikara no nitotongana any amin'ny laharana faha 127 avy hatrany.
Araka ny tarehimarika navoakan'ny "Transparency International" ihany dia mbola vao maika nitotongana hatrany ny laharan'i Madagasikara taorian'ny nandraisan'ny filoha Rajaonarimampianina ny fitondràna satria dia nivarina any amin'ny laharana faha 145 i Madagasikara raha tany amin'ny laharana faha 127 talohan'ny nandraisany ny fitondràna.
Marihina fa ny filoha Rajaonarimampianina dia anisan'ireo olona akaiky sy atokisan-dRajoelina indrindra. Antony iray nanankinan'ity filohan'ny tetezamita ity ny andraikitra mavesatra sy saro-pady maro tamin-dRajaonarimampianina izany nandritra ny tetezamita. Ity farany rahateo no minisitry ny fitantanam-bola tamin'izany. Ary mbola antony goavana nanohanany sy nametrahan-dRajoelina an-dRajaonarimampianina teo amin'ny fitondràna ankehitriny izany fifamatorana lehibe teo amin'ny roa tonta izany.
Ankehitriny dia mirehitra mena miredareda avokoa ny famantarana rehetra izay midika fa tsy misy mandeha amin'ny laoniny sy ny tokony ho izy intsony izao fitondràna izao.
- Mahazo laka sy faka lalina hatrany an-dapam-panjakàna rehetra any ka hatreny amin'ny fiaraha-monina rehetra eny ny kolikoly. Santionany amin'ireny ny "Raharaha Claudine Razaimamonjy" izay mahavoasaringotra sy mahavoafatotra mpitondra fanjakàna ambony maro eto amin'ny tany sy ny fanjakàna.
- Mahazo vahana manerana an'i Madagasikara ny tsy fandriam-pahalemana: Mitombo isan'andro ny asan-dahalo sy ny fanafihan-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ary tsy misy afa-bela na any ambanivohitra lavitr'andriana na an-tanan-dehibe akaiky fanjakàna. Manginy fotsiny ny fitsaram-bahoaka izay mampiseho fa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.
- Tsy tanisaina intsony ny hazakazaka arahin-tosika entin'ny fiakaran'ny vidim-piainana isan'andro: Vidim-bary (800 Ariary ny kapoaka), vidin-jiro sy rano JIRAMA, vidin'ny saran-dàlana, vidin-tsolika, vidim-panafody (Ny aza marary ihany)...Tsy misy itarainana fa izay tsy maharaka dia tavela any avokoa.
Inona no mbola antenaina amin'ny fitondràna ankehitriny ankoatra ny fotoam-bita amin'ny fahantràna? fotoam-bita amin'ny kolikoly avo lenta sy ara-panjakàna? fotoam-bita amin'ireo mpitari-bato vilam-bava mpanao kabary ambony vavahady?
Izany rehetra izany dia mamaly avokoa ny fanontaniana nipetraka tany amboalohany hoe: Nahavita tsaratsara kokoa noho ny fitondràna Ravalomanana ve ny mpanongam-panjakàna sy ny zaza navelany ankehitriny?
Azo antoka fa miray feo, ary mety hitovitovy avokoa ny vali-teny omen'ny rehetra na dia samy manana ny heviny sy ny fomba fijeriny ihany koa aza.
Marc Ravalomanana: Ilain'ny Firenena maika dia maika ny hakingàny sy ny traikefany
Ao anatin'izao fahantràna lalina tsy manam-paharoa mahazo ny Firenena izao indrindra no ahatsiarovan'ny tsirairay ireo vanim-potoana mamy efa mba niaina sy nandalovana tany aloha tany.
Maro no velon-tsetra hoe "Hafa ihany ny tamin'ny andron-dRakoto na tamin'ny andron-dRabe". Ny azo antoka dia tsy mbola tafalatsaka ambany dia ambany toy izao i Madagasikara. Tsy tambo isaina ny isan'ireo fianakaviana malagasy mba nanana fiainana antonontonony teo aloha ka lasa nanampy isa ireo mpiray Tanindrazana mahantra sy fadiranovana ankehitriny: Ireo tsy manan'asa, ireo mitrongy vao homana mitady ny hohanina anio tadiavina anio ary ny ampitso mbola tsy fantatra, ireo misakafo tapa-kibo ka indraindray isam-bolana na isan-taona ihany vao mba mahatsiaro izany atao hoe voky tsara sy misakafo ara-pahasalamàna, ireo sahirana rehefa marary satria tsy mba manana ambim-bava hividianana fanafody na hidirana hopitaly, sns...
Araka ny tarehimarika navoakan'ireo vondrona iraisam-pirenena maro dia maherin'ny 90%-n'ny malagasy no miaina ao anaty fahantràna ankehitriny ary azo antoka tanteraka fa tsy hitsahatra hiakatra io tarehimarika io raha izao fihazakazaky ny "fampahantràna" ataon'ireo mpitondra ankehitriny izao no mitohy. Mba fantatry ny filoham-pirenena am-perin'asa tokoa moa hoe mahantra marina i Madagasikara sa mbola miandry ilay porofo ihany izy hatramin'izao?
Matetika ny mpitondra ankehitriny no manilika andraikitra na tsy te ho tompon'andraikitra amin'ny zava-doza mahazo ny Firenena ankehitriny. Anisan'izany fanilihana andraikitra izany ny filazàna fa efa Firenena potika vokatry ny tetezamita no noraisin-dry zareo ka tena sarotra sy mila fotoana lava ny fanarenana azy. Fa iza avy tokoa moa ireo mpanongam-panjakàna niara-nitantana tamin-dRajoelina tamin'ny vanim-potoanan'ny tetezamita? Ny azo antoka dia maro amin'ireo mpikambana ao amin'ny fitondràna ankehitriny no nifandimby nanapotika ity Firenena ity nanomboka ny taona 2009 ka mandraka ankehitriny ary voalohany amin'ireny ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay minisitry ny fitantanam-bola tamin'izany ary filoham-pirenena ankehitriny: Miala an'Ankatso ny Firenena dia Ambohidempona, miala tetezamita dia fotam-bita amin'ny fahantràna.
Tsara ny mampatsiahy sy mamerina fa Firenena potika tanteraka sy latsaka an-katerena koa i Madagasikara talohan'ny nandraisan-dRavalomanana azy. Firenena rotidrotiky ny krizy 2002: Foana tanteraka ny kitapom-bolam-panjakàna, tapaka ny famatsiana solika, rava ireo foto-drafitrasa maro (tetezana), nanjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy hita teny an-tsena ireo sakafo sy kojakoja ilaina amin'ny fiainana andavan'andro (vary) sy ireo olana maro hafa. Tsy nataon-dRavalomanana sakana anefa izany rehetra izany ary tsy nanilika andraikitra tamin'ny mpitondra teo aloha izy fa vao maika aza nataony hery lehibe nanosika azy hanarina indray ny Firenena. Tsy hiverenana amin'ny antsipirihany ireo dingana sy sakana maro nandalovan'ny mpitondra tamin'izany fa ny azo ambara dia vao herin-taona voalohany nandraisany ny fitondràna fotsiny dia efa maro ireo vokatra nisongadina sy azo notsapain-tànana tamin'izany.
Inona no maha samihafa ny fitondràna Rajaonarimampianina sy ny fitondràna Ravalomanana?
Ny filoha Rajaonarimampianina dia filoha kisendrasendra no nahatongavany teo amin'ny fitondràna. Olona tsy nivonona sy tsy nihomana velively ny ho lasa filoham-pirenena.Tsy nanana programan'asa matotra hitantanana ny Firenena fa tonga teo amin'ny fitondràna vao nihezaka nitsapatsapa sy manandrakandrana.
Mazava ho azy fa tsy kitsapatsapa ny fitondràna firenena satria tsy kilalao ny ain'ireo malagasy an-tapitrisa maro. Vokatr'izany indrindra dia tsy mahagaga mihitsy raha izao iaraha-mahita izao no niafaràn'i Madagasikara sy ny fiainam-bahoaka: Very fanahy mbola velona sy kivy tanteraka ny malagasy.
Tsy mpitondra nivonona hitsinjo vahoaka sy nivonona hitantana Firenena ho amin'ny fampandrosoana no misy fa mpitondra mpampahantra vahoaka sy mpanao ampihi-mamba ny harem-pirenena.
Tsy mahagaga raha i Madagasikara no hany Firenena nihemotra sy niha-nahantra ary fadiranovana indrindra nefa tsy nisedra ady akory tao anatin'ny 60 taona. Ireo Firenena nahantra sy nilahatra tamin'i Madagasikara rehetra teo aloha dia maro amin'izy ireny ankehitriny no efa azo sokajiana ho Firenena mandroso sy miroborobo tanteraka. Tsara ny mampatsiahy fa tao anatin'ny folo taona latsaka monja i Madagasikara dia nivarina ho isan'ireo Firenen mahantra indrindra eto ambonin'ny tany ary lasa ataon'ireo firenen-dehibe ho ohatra ratsy mihitsy aza vokatr'izany fahantràna lalina izany.
Vakio koa: Fotoam-bita - Fitondràna Rajaonarimampianina: Leo fitondràna sampona ny Malagasy
Etsy ankilanin'izany, ny filoha Marc Ravalomanana kosa dia nihomana tanteraka tamin'ny fitondràna Firenena ary nanaraka ny antanatohatra rehetra mba hahatongavana amin'izany. Efa nanana fahombiazana goavana teo amin'ny sehatry ny fitantanana orinasa izy ary nitondra anjara-birika lehibe tamin'ny fanatsaràna sy fampandrosoana ny renivohitr'i Madagasikara nandritra ny naha Ben'ny Tanànan'Antananarivo azy.
Efa nanana antoko politika matanjaka naharakotra an'i Madagasikara i Ravalomanana talohan'ny nahatongavany teo amin'ny fitondràna ary efa nanana fifandraisana akaiky sy matotra tamin'ireo Firenen-dehibe matanjaka sy ireo mpandraharaha vahiny mpampiasa vola maro manerana izao tontolo izao.
Ankoatr'izany dia nanomana sy nanangana programan'asa goavana sy matotra ny tenany izay niarahany namolavola tamin'ireo manam-pahaizana manokana tera-tany vahiny sy Malagasy maro: Teraka teo ny MAP na ny Madagascar Action Plan. Programan'asa izay nandresy lahatra tanteraka ireo mpiara-miasa sy mpiara miaombon'antoka ara-toekarena maro ary nitondra asa sy fampandrosoana nivaingana avy hatrany ka nampisongadina an'i Madagasikara teto Afrika tao anatin'ny fotoana fohy.
Ireo traikefa sy fahaiza-manao rehetra ireo, niampy ny hakingàny, no anisan'ny vy nahitàn'i Madagasikara ny fandrosoana lehibe izay nanamarika ny tantaram-pirenena nanomboka ny taona 2002 ka hatramin'ny taona 2009. Izany hoe, efa mba niaina tsaratsara kokoa sy nahita tara-pahazavana nitsilopy i Madagasikara nandritra ny fito taona. Mety mba nanao ahoana ny fiainan'ny malagasy raha nitohy mandraka ankehitriny io fandrosoana nandalo io?
Koa maninona ary no mitady maika an'i Marc Ravalomanana i Madagasikara?
Miasa mafy, miasa tsara... |
Satria tsy kilalao na andrakandrana ny fiainam-pirenena sy ny ain'ny vahoaka malagasy ary azo antoka kokoa ny fanarenana sy fanavotana indray ity Tanindrazana ity raha olona efa voasedra sy nitondra porofo maro azo tsapain-tànana teo amin'ny sehatry ny fitantanana sy fampandrosoana no hanankinana azy.
Hatreto aloha raha ampitahaina ny zava-bitan'ireo mpitondra rehetra nifandimby teto sy ny fiantraikan'izany mivantana amin'ny fiainan'ny malagasy dia misongadina sy miavaka indrindra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Mora ny mampiresaka sy mampanantena volana aman-kintana rehefa trotraka sy resin'ny fahantràna tanteraka ny vahoaka. Tao ohatra ny nampanantena vary diman-jato ariary ny kilao, kinanjo fahantràna manara-penitra no vokany avy eo. Tao ny nampanantena hamaha ny olan'ny delestazy ao anatin'ny telo volana monja hay fotoam-bita amin'ny haizim-piton'ny fahantràna sy ny kolikolim-panjakàna avo lenta no vokany.
Maro koa ireo misora-tena ho olom-baovao mampanantena nofy tsy tambo isaina saingy raha ny fihazakazaky ny fahantràna sy ny fahorian'ny malagasy ankehitriny no jerena, raha atao in-dray mijery ny lasa sy ny lesona azo tsoahina amin'izany, dia MAIKA ary tena maika ny fanakanana amin'ny fomba rehetra izao fahatràna sy fampahantràna ny Firenena izao. Maika dia maika ny famonjena ny vahoaka izay za-dratsy miaina anaty mosary sy ny homamiadan'ny fahantràna izay mikiky sy mamono azy ireo ankehitriny.
Maika ny fanavotana an'i Madagasikara ary tsy kilalao ny ain'ny Malagasy. Tsy misy fotoana anaovana kitsapatsapa sy andrakandrana intsony ny fitantanana ny Firenena satria ho tara loatra ny fanavotana sy fanarenana indray ity Tanindrazana ity raha mbola mitohy izany. Vahaolana: Maika ny fametrahana ny aina sy ny ho avin'i Madagasikara eo am-pela-tànan'ny mpitondra efa nahavita dingana lehibe sy nitondra porofo nivaingana tamin'ny fampandrosoana ity Firenena ity.
MM
Samia mba mahay misintona lesona t@ lasa rehetra e.Betsaka ny mahay manararao-paty rehefa mahantra fadiranovana ny vahoaka.Mitandrema fa ho avy indray ny sasany izao hampanantena vary 500Ar ny Kg ary hitondra fahantrana manara-penitra avy eo.Ny mampalahelo dia ireo efa mahantra tanteraka ihany no ataon'ny sasany tohatra fiakarana sy sorona ahazoana fahefana.Samia mba mifanentana sy mifanoro hevitra mba tsy hiverenan'reo fahavalom-pirenena sy mpampahantra vahoaka intsony eo @ fitondrana.Aza adino fa anisan'ny tompon'andraikitra koa isika vahoaka @ fametrahana mpitondra eto @ firenena ary tompon'andraikitra arak'izany @ fahantrana misy.
RépondreSupprimerTandremo ary sao diso safidy indray ka vao maika handentika any @ lalina sy mangitsokitsoka kokoa indray ny firenena. Maro ireo milaza azy fa tanora sy olom-baovao fa fantaro izay tena tia Tanindrazana marina.
RépondreSupprimerTsy mbola misy fahoriana mihoatra izany hoe Gasy tsy mihinam-bary izany satria tsy manan-katokona fa dia tanteraka izany toe-javatra mampalahelo izany ankehitriny. Tsy an-tanan-dehibe tsy any ambanivohitra fa dia mahatra noana daholo. Mankarary fo sy mampalahelo ilay izy nefa atao ahoana fa zava-misy. Sa ve hoe porofoy amiko izany gasy mahantra izany?
RépondreSupprimer