menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • mardi 6 juin 2017

    Fantatrao ve ireo lalam-pirenena sy ny halavany avy eto Madagasikara?


    lalam-pirenena-fifamoivoizana-madagasikara1.jpg
    Sary: http://www.routard.com 
    Ny làlana no lalan-drà mamelona ny Firenena. Mandray anjara mivantana amin'ny fampandrosoana ny toekarena ny làlana raha tsy hitanisa fotsiny afa-tsy ny anjara-andraikiny amin'ny fitanterana sy fivezivezen'ny vokatra sy ny entana ary ny vahoaka isika. Ho an'i Madagasikara manokana, izay Firenena mifototra amin'ny fambolena sy fiompiana, dia manampy betsaka sy manamora ny famoahana sy fitanterana ireo vokatra isan-karazany any ambanivohitra any mba hihazo ireo tanàn-dehibe sy renivohi-paritra isan-karazany ny làlana. Azo lazaina araka izany fa miankina betsaka amin'ny làlana ny vidim-bokatra sy ny saran-dàlana.

    Mba ohatrinona tokoa moa ny vidim-bary sy sakafo eto Madagasikara ankehitriny? Ohatrinona ireo saran-dàlana an-tanàn-dehibe sy mankany amin'ireo faritra isan-karazany? (azo ohanina ve ny làlana?)


    Eo am-pitsakotsakoana ireo fanontaniana ireo dia indro ampatsiahivina amintsika vetivety ireo làlam-pirenena sy ny halavany avy eto Madagasikara.

    (RN = Làlam-pirenena)

    RN 1 : Antananarivo – Arivonimamo – Miarinarivo –Tsiroanomandidy - Belobaka (149km)

    RN 1a : Tsiroanomandidy – Maintirano

    RN1b : Analavory – Babetville - Tsiroanomandidy (94km)

    RN2 : Antananarivo – Moramanga – Brickaville – Toamasina (367km)

    RN3 : Antananarivo – Anjozorobe – Lac Alaotra (91km)

    RN3a : Lac Alaotra – Andilamena (180km)

    RN3b : Sambava – Andapa (106km)

    RN4 : Antananarivo – Maevatanana – Mahajanga (570km)

    RN5 : Toamasina – Fénérive Est- Soanierana Ivongo – Mananara Nord– Maroantsetra (402km)

    RN5a : Ambilobe – Vohemar – Sambava – Antalaha (406km)

    RN6 : Ambondromamy – Port Berger – Antsohihy – Ambanja – Ambilobe – Antsiranana (706km)

    RN7 : Antananarivo – Antsirabe – Ambositra – Ambohimahasoa – Fianarantsoa – Ambalavao – Ihosy- Sakaraha – Toliara (956km)

    RN8 : Morondava – Belo/Tsiribihina – Bekopaka (198km)

    RN8a : Maintirano – Antsalova (119km)

    RN9 : Toliara – Bevoay – Manja – Morondava – Mandabe (382km)

    RN10 : Andranovory – Betioky – Ampanihy – Beloha – Tsihombe – Ambovombe (512km)

    RN11 : Mananjary – Nosy varika (103km)

    RN11a : Antsapanana – Vatomandry – Ilaka Est – Mahanoro (125km)

    RN12 : Irondro – Manakara – Vohipeno – Farafangana – Vangaindrano (300km)

    RN12a : Tolagnaro – Manantenina – Manambondro – Vangaindrano (256km)

    RN13 : Ihosy – Betroka – Ambovombe – Amboasary sud – Tolagnaro (493km)

    RNT19 : Katsepy – Mitsinjo – Soalala

    RN22 : Fenerive-Est – Vavatenina (38km)

    RN24 : Mananjary – Vohilava (45km)

    RN25 : Ambohimahasoa – Vohiparara – Ranomafana sud - Ifanadiana - Irondro (161km) – Carrefour 

    RN7 PK 355 – à Mananjary (176Km)

    RN27 : Ihosy – Ivohibe – Farafangana (275km)

    RN30 : car RN6 (Ambalavelona) – Ankify (20 Km)

    RN30a : car RN 57 (Hellville) – Djamandjary – Andilana (25 Km)

    RN31 : Antsohihy – Bealanana (129km)

    RN 32: ANTSOHIHY – BEFANDRIANA-NORD – MANDRITSARA (200km)

    RN33 : Ambatondrazaka – Ambondromamy (340km)

    RN34 : Antsirabe – Miandrivazo – Malaimbandy (368km)

    RN35 : Ambositra – Malaimbandy – Morondava (460km)

    RN41 : Ambositra – Fandriana (41km)

    RN42 : Fianarantsoa – Ikalamavony (94km)

    RN43 : Analavory – Ampefy – Soavinandriana – Ambohibary Sambaina (133km)

    RN44 : Moramanga – Ambatondrazaka – Imerimandroso – Amboavory (228km)

    RN54 : Ex Bonnet & Fils (Majunga) – Aéroport Amborovy

    RN55 : Bevoay – Morombe (78km)

    RN60 : Mampifandray ny RN2 - RN7 (16Km)


    Loharanom-baovao: 

    Mamisoa Randriamiarana (Tambajotra sosialy)


    Raha misy fanampim-baovao na fanitsiana tianao aroso dia aza misalasala maneho izany ao amin'ny fanehoan-kevitra (commentaires) eo ambany.


    MM

    5 commentaires:

    1. Tsy mila manam-pahaizana be dia efa afaka mahatakatra fa tena ilaina ny lalana @ fampandrosoana ny firenena.Raha te handroso i Gasikara dia tena ilaina ny fanamboaran-dalana maro be ary asa fanampiny ny fanadiovana ny sain'ny vahoaka sasany tratry ny virus "tsy azo ohanina ny lalana" satria tena anisan'ny namotika ity firenena ity h@'zao io virus io.

      RépondreSupprimer
    2. Mba firy isanjaton ireo lalana ireo moa izany no vita goudron?

      RépondreSupprimer
    3. Soa fa misy fiara, mitety an'i Madagasikara. 'Reo taxibrousse, mampifandray ny Nosy! Indrisy anefa fa lalam-potaka mandrevo no ankamaroany ary andro maro be vao tonga any @ toerana aleha noho ny haratsin'ny lalana. Mbola hisy sahy hiteny ihany ve ry fahavalon'ny fandrosoana hoe "tsy azo ohanina ny lalana"??????

      RépondreSupprimer
    4. Ny RN2 makany Tamatave iny tompoko dia tena efa ratsy dia ratsy ary anisan Antony mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika mihitsy.Iny RN2 iny no anisan lalana goavana indrindra iankinan'ny economie satria iny no ifamezivezen'ireo fiara be mpitatitra entana avy ao @ port Tamatave miakatra any Antananarivo.

      RépondreSupprimer
    5. Misaotra @ fizarana, mankasitraka!

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...