menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • jeudi 17 août 2017

    Dosie maloton'i Mamy Ravatomanga: Tsy ho afa-bela i Andry Rajoelina

    ravatomanga-rajoelina-sonapar-samifin.jpg
    Dosie Ravatomamga, mety hovoafatotra koa i Rajoelina?
    Mipongatra tsikelikely ireo dosie maloton’ilay mpanefoefo Mamy Ravatomanga momba ny nahazoany harena tsy ara-drariny ary re fa tsy ho afa-bela eo anatrehan’ny lalàna izy na eo aza ny harembeny.

    Mety hogiazan’ny fitsarana Frantsay ny trano be novidiana tany Paris Frantsa ny taona 2011, izay ahian’ny fampanoavana fa harena azo tamin’ny tsy rariny. Teto an-toerana, novidiany 2,7 tapitrisa dolara tamin'ny alalan'ny orinasany SCI Lam (Société Commerciale Immobilière) ny 51%-n’ny petra-bolan'ny orinasa EEM (Eau et Eléctricité de Madagascar) tompon'ny Villa Pradon ny taona 2010. Lasany ihany koa ny 49% anjara petra-bolan'ny orinasam-panjakana SONAPAR tao amin’ny Villa Pradon. Voalaza fa efa kajy maloto tamin’ny fitondrana tetezamita ny raharaha, ka na nisy aza ny fandavan’ny mpitantana ambony miisa 4, mpikamban’ny Filankevi-pitantanana (CA) tao anatin’ny SONAPAR, dia nanaovana hevi-petsy, ka nosoloina olona akaiky an-dRajoelina.

    I Augustin Adriamananoro, minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra no natao filohan’ny filankevi-pitantanana, izay nanamorana ny famarotan’ny SONAPAR ny petra-bolany tamin' i Mamy Ravatomanga. Nahatratra 22,8 miliara no voalaza fa nahazoan’i Mamy Ravatomanga ny Villa Pradon, ka nanamora izany ny kajy maloto sy ny don-tandroka niarahana tamin-dRajoelina sy ny olony. Ireo olon’ny tetezamita nitantana tao amin'ny SONAPAR ihany no nanangana ny société SONIMMO (Société Nationale Immobilier) tamin’ny 2011 ka i Hasimboangy Andrianainarivelo anabavin'i Hajo Andrianainarivelo no notendrena ho filohan'ny filankevim-pitatanana. 

    Kajy maloto hafa nanomezana tombondahiny an’i Mamy Ravatomanga ny nanendrena azy ho solontenan’ny fanjakana tao anaty filankevim-pitantanan'ny orinasa Air Madagascar, Jirama ary Telma. Afaka nahazo ny tsenam-panjakana maro tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tenany vokatr’izany. Tao amin’ny orinasa JIRAMA, dia voalaza fa afaka nisintona vola 15 miliara ariary tao amin’ny kaontin’ny orinasa anankiray, MMP Btp, izay azy ihany izy noho ny anjara toerany tao sy ny fampiasany ilay orinasa antsoina hoe « Madagascar utilities Ltd». Mbola nividy ny orinasa TOA (Trans Océan Airways) misehatra amina fifamoivoizana ana habakabaka ny volana oktobra 2011. Ahiana ho resaka famotsiam-bola ihany koa ny nananganana ny Hotely Azura any Foulpointe, izay nandaniana ana miliara maro.

    Mitsimbadika ny tantara


    Nianteheran’ny fanjankana tetezamita tamin’ny resa-bola i Mamy Ravatomanga ary tsy azo nokitikitihina tamin’ny aferany ka na i Hery Rajaonarimampianina minisitry ny vola tamin’izany aza nanaovana tsindry, ka toa natao fandrobana vola ny departemanta notantanany. Anisan’ny andry ianteheran’i Andry Rajoelina amin’ny famatsiam-bola amin’ny fifidianana ho avy i Mamy Ravatomanga na eo aza ny harem-be efa voaangon’ny filohan’ny tetezamita, saingy mety hiara-voahenjika noho ny afera maloto maro izy ireo. Mitsimbadika ny rasa satria tsy filoha intsony i Andry Rajoelina, ka na minia mangina aza mety tsy ho afa-bela. Nalaza ny fanondranana andramena tamin’ny andron’ny tetezamita, ka mbola voatonona ny anaran’izy roalahy ireo. Hatrany amin’ny 32 miliara ariary ny vola nihodina tamin'ny trafikana andramena ny taona 2009, ary tafakatra 77,265 miliara Ariary ny taona 2010, araka ny tarehimarika navoakan’ny Sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola (SAMIFIN).

    Toky Rtiatanindrazana.com

    3 commentaires:

    1. Ireo no mafia nanjakazaka sy nandripaka ny harem-pirenena teto.Vao mitsikera azy dia lazain'ny sasany fa be fialonana nefa dia ny harem-pirenena sy harem-bahoaka izao no nangalarin-dry tsy mataho-tody ireo namenoany ny paosiny. Tsy matahotra an'Andriamanitra mianakavy.

      RépondreSupprimer
      Réponses
      1. mampalahelo tokoa zan! zan vola zan zao mety mahavonjy olona matin'ny hanoanana nandritra izay fotoana izay!

        Supprimer
      2. Ireo bandy ireo no tena nanimba tanteraka ny fiainan'ny gasy ary nampahantra ny firenena sy potika toy izao nanomboka t@ 2009. Ny sasany moa dia lasa manao fiainana multimilliardaire any akaikn'ny Suisse any mihitsy izao nefa taloha ao Cachan no mivahiny sy mindrana efi-trano @ namana rehefa manao vacances.Mety hisy ilaza koa zà hoe be fialonana fa tsy raharahako satria mampalahelo ahy loatra ny fahoriana sy fahantrana mahazo ny mpiara-belona amiko ankehitriny. Fahavalom-pirenena tsy mataho-tody daholo.

        Supprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...