menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • vendredi 13 octobre 2017

    Orinasa TIKO AAA: Ain'ny Firenena, ain'ireo mpiasa sy vahoaka alin-kisa maro

    tiko-aaa-andranomanelatra.jpg


    Ny fihetsika mamohehitra sy fanamparam-pahefàna ataon'ny fanjakàna amin'ny orinasa TIKO AAA ankehitriny dia aoka hazava tsara fa tsy ny fianakaviana Ravalomanana ihany na ny mpiasan'ny TIKO AAA ihany no iharan'ny voka-dratsiny fa ny firenena Malagasy sy ny vahoaka Malagasy amin'ny ankapobeny mihitsy.

    Tsy azo tsinontsinoavina ny lanja sy anjara andraikitra ara-toekarena sy maha-olona entin'ny orinasa TIKO AAA eto Madagasikara. Marihina fa orinasa niorina efa ho telopolo taona mahery ny TIKO, ary nandritra izany vanim-potoana lava izany dia nandray anjara maro tamin'ny fampandrosoana amin'ny lafiny rehetra teto amin'ny Firenena izy raha tsy hiteny fotsiny isika afatsy ireo malagasy mpiray Tanindrazana an'arivony maro nivelona sy nahazo asa tamin'ity orinasa ity. Tsy tambo isaina koa ireo tantsaha an'aliny maro mpamatsy vokatra toy ny ronono sy voankazo tao. Tetsy andaniny ireo mpanjifa an-tapitrisa maro izay nisitraka ny vokatra "VITA MALAGASY".

    Ny azo ambara dia tsy afa-misaraka amin'ny tantara ara-politika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy teto Madagasikara ny orinasa TIKO AAA.

    Nandalo sedra maro ity orinasa Malagasy ity ary mafy indrindra tamin'ireny ny raharaha politika izay niteraka fandrobàna sy fandorana ary fanapotehana ny TIKO tamin'ny taona 2009. Kila sy rava tateraka ny orinasa, ary izay tapa-porohana sisa tsy may tamin'izany dia mbola nifandrombahan'ireo nilaza azy fa tompom-pahefàna tamin'izany. Rava ny orinasa, ary rava sy potika nanomboka teo koa ny toe-karena Malagasy izay nitarika fahalovana maro toy ny fahasimbàn'ny toe-tsain'ireo mpiray Tanindrazana maro sy ny faharavàn'ny fiaraha-monina.

    Mbola tsy tafarina hatramin'izao ny fahantràna lalina mahazo ny Firenena fa toa sanatria aza vao maika mahazo vahana na omena vahana.

    Vokatr'izany fahalovana sy fahantràna lalina izany dia tsy mahagaga mihitsy raha maizina tanteraka ny fanantenan'ny Malagasy izay tsy mitsaha-mitotongana andro aman'alina ny fari-piainany; etsy andaniny kosa ireo mpitondra izay anisan'ireo nandray anjara goavana tamin'ny fanapotehana ity Firenena ity dia lasa manontany ny ory sy mpanefoefo tsy miafina avokoa. Ny sasany moa dia lasa nanorim-ponenana ombam-bady aman-janaka any am-pitan-dranomasina mihitsy.

    Ankehitriny dia io fa miverina indray ny tantara. Ilay orinasa Malagasy efa lasa lavenina teo dia indro fa efa saika hisandratra sy nifoha tsikelikely tamin'ny fahavoazana tsy manam-paharoa nahazo azy fito tao aty aoriana. Vao mitraka nefa ny lohany ity dia efa avy indray koa ireo milaza azy fa manam-pahefàna ankehitriny mampiasa ny fahefàny.

    Lahara-pahamehan'ny fitondràna ankehitriny tokoa ve ny ady amin'ny fahantràna? Raha lahara-pahamehany izany, moa tsy ny orinasa, indrindra fa Malagasy, toa ny orinasa TIKO AAA ve no tokony omena tosika mafy sy hitadiavana hevitra maika dia maika mba hampihodina azy sy hamerenana aminy ny heriny sy tanjany indray mba hahafahany miverina ho andry goavan'ny toekarem-pirenena indray?

    Ireo mpandraharaha vahiny sy orinasa vahiny aza italahoana sy andohalihana mihitsy mba hampiasa ny volany sy hanokatra orinasa eto Madagasikara mba hanome asa ny Malagasy sy hamelon'aina indray ity toekarena mitsipozipozy tanteraka ity, maika fa ny an'ny tena, ny an'ny samy Malagasy, ny orinasa Malagasy?

    Tena afa-nenina ka tsy nahita marimaritra iraisana sy vahaolana hafa mihitsy ve ny fanjakàna mialoha izao fanakatonana ny orinasa TIKO AAA izao?

    Aza adino ry mpitondra, ary singaniko manokana amin'izany ianao Andriamatoa filoha, Hery Rajaonarimampianina fa ny asa dia midika aina. Asa iray dia aina iray. Tsy asa iray nefa no hitsahatra sy ho very fa asa an'arivony maro izay midika mazava ho azy fa aina an'arivony maro mba tsy hilazàna hoe an'ainy maro.

    Ny fanakatonana ny orinasa TIKO AAA tokoa ve no vahaolana mahomby mba hiadiana amin'ny fahantràna lalina mahazo ny Firenena ankehitriny?

    Iza no mahazo tombotsoa amin'ny fahapotehana sy faharavàn'ny orinasa TIKO AAA indray? i Madagasikara ve? Ireo mpiasa maro be very asa ve? Ny vahoaka Malagasy ve?

    Antenaina fa mbola tsy rava tanteraka ny kolon-tsaina feno fahendrena nananan'ny Malagasy ao amintsika tsirairay, na eo aminareo mpitondra izany na aty aminay vahoaka sy ireo mpandraharaha Malagasy maro ka samy hahay handinika tsara manoloana ny fanapahan-kevitra tokony horaisina sy tapahana satria aoka hazava fa tsy kilalao fa aim-pirenena sy ain'ny Malagasy mihitsy no resaka eto.

    Antenaina fa mandalo vetivety fotsiny ihany izao olana izao ary tsy ho ela dia hahita fifaliana sy fanantenana indray ireo mpiasa sy tantsaha maro be kivy sy ketraka ankehitriny satria hijery ny tena tombotsoa ambonin'ny Firenena marina ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ka hamela hisokatra indray ny orinasa Malagasy TIKO AAA.

    Atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala!

    AROVAKO SY TOHANAKO NY ORINASA MALAGASY!

    Taratasin'ny mpisera (Vazimba)

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...