Mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Antsirabe |
Na dia mbola tsy nanambara ofisialy amin’ny filatsahan-kofidiany amin’ny fifidianana filoham-pirenena aza i Andry Rajoelina dia tsikaritra tato ato ny fihazakazahany mafy amin’ny fanaovana fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana.
Ny tena marina dia tsy vao izao ity filohan’ny tetezamita FAT ity no nanao fampihelezan-kevitra fa nandritra ny efa-taona latsaka izay dia tsy nitsahatra ny tenany nandresy lahatra sy nihezaka namafa ao an-tsain’ny Malagasy ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataony teto amin’ny Firenena.
Heverin’i Andry Rajoelina ho fohy fisainana sy mora very tadidy tokoa ve ny Malagasy ka tsy hahatsiaro intsony ny zava-doza niainany nanomboka ny taona 2009 izay niteraka fahapotehana sy fahoriana lalina ho an’ny Firenena mandraka ankehitriny?
Tato ato ary dia hazakazaka arahin-tosika mihitsy ny fampihelezan-kevitry ny filohan'ny
Tany amin’ny faritra Alaotra ohatra dia andro maromaro mialohan’ny hahatongavan’i Andry Rajoelina mihitsy dia efa nalefa tany ireo mpikarakara sy mpanentana mba hahavory olona maro.
Andro vitsy tao alohan’io mantsy dia hatezerana ny an’ity lehiben’ny tetezamita FAT ity satria tsy nahavory olona hono ny fampihelezan-kevitra tao Toamasina nandritra ny fitokanana ilay orinasa goavana tao Ambatovy.
Ankoatr’izay dia tsy nahafaly an’i Andry Rajoelina koa ny fanamarihana sy fanazavàna nentin’ny orinasa Sheritt Madagascar Ambatovy izay nilaza fa volan’ity orinasa ity no miasa hanamboarana ny tanànan’i Toamasina ary ity orinasa ity ihany koa no tompon’ny hevitra rehetra amin’izany.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia i Andry Rajoelina no nisora-tena ho voatango fa tompon’ny vola sy hevitra amin’ny fikarakaràna ny renivohitr’i Toamasina.
Mba hialàna tamin’ny fahavitsian’olona toy ny tao Toamasina ary dia nampiasa ny fomba rehetra ny fitondràna FAT tarihan-dRajoelina mba hampahomby ny fampihelezan-kevitra izay hataony any amin'ny faritra Alaotra.
Nampiasaina ny artista sy ny fizarana fitaovana maro isan-karazany mba hisarihana ny olona.
Tsy niandry ela anefa dia nipoitra koa ny olana sy ny indro-ben’ny mpandrafitra satria dia fitaovana fanaratoana trondro tsy manara-penitra sy tsy ara-dalàna no nozarain'i Andry Rajoelina tamin’izany.
Kely loatra ny mason’ireo arato natao fanomezana ary voararan’ny lalàna ny fampiasana azy.
Farany teo dia nitohy tany Antsirabe ny fampihelezan-kevitry ny FAT. Mba hambaboana ny fon’ny olona tany dia nilaza i Andry Rajoelina fa teraka tao Vakinakaratra, hono, ny tenany.
Marihina fa ny faritr’i Vakinakaratra dia anisan’ny faritra be mpanohana sy be mpifidy indrindra an’ny Filoha Ravalomanana ary tsy tongatonga ho azy izany fitiavan’olona ny Filoha Ravalomanana izany satria dia efa am-polon-taona maro ity Filoham-pirenena sady tompon’ny Orinasa Tiko ity no nanome asa ireo vahoaka sy tantsaha marobe ao ary tsy nitsahatra nanamboatra sy nikarakara ny tanàna (Làlana, tsena, sns…)
Ny tena marina dia nitsapa ny halalin’ny rano tao amin’ity faritr’i Vakinakaratra ity i Andry Rajoelina.
Raha tsiahivina kely ny tantara, ny taona 2009, vao vita kely monja ny fanonganam-panjakàna dia namoaka vava ireo mpanongam-panjakàna eo amin’ny tetezamita ankehitriny fa hanao izay fomba rehetra hamafàna ny anaran-dRavalomanana eto amin’ny Firenena.
Mety izay ve no mahatonga ny fanjakàna FAT hihetraketraka sy hanao tsindry hazo-lena amin’ny fananan-dRavalomanana sy ny fianakaviany ankehitriny?
Mitetika ny haka ny fon’ny mponin’i Vakinakaratra sy ny fon’ny Malagasy ary hampanadino ny anaran’ny Filoha Ravalomanana eto Madagasikara tokoa ve no tanjon-dRajoelina sy ny FAT amin’izao fampihelezan-kevitra sy fandokafan-tena mandeha mafy mialohan’ny fotoana manerana ny Nosy izao?
Ankoatra ny fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana sy nandritra ny efa-taona latsaka mantsy dia tsy mbola mitsahatra koa hatramin’izao ny fanaratsiana sy filazàna lainga mikasika ny Filoha Ravalomanana.
Ny azo antoka anefa na eo aza izany rehetra izany dia mbola tsy hadinon’ny Malagasy ary tsy afaka ao am-pony mandraka ankehitriny ny fitiavana ny Filoha Ravalomanana.
- Matoa sakanan’ny fitondràna FAT sy ny miaramila mpanao politika ny fodian-dRavalomanana eto antanindrazany,
- Matoa mihazakazaka mafy tsy mijanona manao fampihelezan-kevitra mialohan’ny fotoana i Rajoelina sy ny fanjakàna FAT-ny,
- Matoa mitohy manaratsy sy milaza lainga mikasika ny Filoha Ravalomanana mandraka ankehitriny ny hainoamanjerin’ny tetezamitan-dRajoelina dia tsotra ny valiny: Mbola mamim-bahoaka ny Filoha Ravalomanana ary matahotra fadiranovana mafy azy amin’ny fifaninanana fifidianana Filoham-pirenena i Rajoelina sy ny mpanohana azy.
Hoy ny olom-boafidy iray, Dokotera Raharijaona solo-tenan’i Vakinakaratra nanao fanambaràna sy namaly an-dRajoelina omaly: "Tsy niteraka mpanongam-panjakàna i Vakinakaratra."
Hifidy mpanongam-panjakàna ve i Madagasikara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka izao?
Hifidy mpanongam-panjakàna ve i Madagasikara amin’ny fifidianana Filoham-pirenena manaraka izao?
MM
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire