menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • samedi 11 août 2012

    Mbola tsy niova rangahy iny: Tena marina izany, mbola tsy niova i Ravalomanana!


    andry-ravalomanana-seyschelles.jpg
    Ny Filoha Ravalomanana tatsy Seychelles
    Sambasamba i Andry Rajoelina tsy nandainga ary nijoro vavolom-belona raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany teny Ivato ary nanambara fa “Mbola tsy niova rangahy iny” raha niresaka mikasika ny Filoha Ravalomanana izy. (Taorian'ny fihaonany tamin'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tatsy amin'ny nosy Seychelles) 

    Tena marina tokoa fa mbola tsy niova ny Filoha Ravalomanana efa-taona aty aorian’ny fanonganam-panjakàna feno habibiana nataon’i Rajoelina taminy.


    - Nalain’ny mpanongam-panjakàna tamin-kery teo am-pela-tanany ny fahefàna nomen’ny vahoaka Malagasy azy,

    - Nopotehina sy nodorana ary nangalarin’ireo ory hava-manana sy be fialonana tao anatin’ny fotoana vitsy monja ny fananany izay nohariany sy nokolokoloiny nandritra ny telopolo taona,

    - Tsy vitan’ny rava fananana sy voarombaka fahefàna fotsiny ny tenany fa mbola niharan’ny sesi-tany koa ary voatery nandao ny Tanindrazany,

    - Mandrintra izany fotoana izany dia tsy mitsahatra iharan’ny tsindry hazo-lena sy herisetra ny vady aman-janany, ary ireo tapa-porohana kely sisa tsy may sy tavela tsy lasan’ireo mpangalatra tamin’ny fananany dia mbola hitadiavan’ny sasany fomba ratsy hafa foana hatramin’izao mba hahafoana azy tanteraka,

    - Etsy ankilan’izay, ireo vahoaka mpitaky ny fahamarinana sy ny ara-dalàna mpanohana azy izay tsy nitsahatra nitolona nandritra izay efa-taona latsaka izay dia tsy afa-bela tamin’ireo hery famoretan’ny mpanongam-panjakàna. Na sivily, na miaramila, na mpitondra fivavahana, na mpanao gazety, na mpanao politika dia samy efa nahazo ny anjarany avokoa.Tao no nigadra (mbola misy any am-ponja amin’izao fotoana izao), tao ireo naratra, ary nisy mihitsy aza ireo namoy ny ainy.

    Na dia teo aza anefa ireo rehetra ireo, dia tsy mbola niova tokoa ny Filoha Ravalomanana fa mbola mitana ny teny nomeny sy ny toky nampanantenainy tamin’ny vahoaka foana izy mandraka ankehitriny. Tsy nivadika tamin’ny fitokisana nomen’ny vahoaka azy izy.

    Nihevitra sy nanantena mafy i Rajoelina fa ny fampihorohoroana ara-miaramila sy fanaovana fitaovana ny fitsaràna ary fanaovana takalon’aina ny fananany sy ny fianakavian'ny filoha Ravalomanana no hampiova an-dRangahy iny. Hay Rangahy iny tsy mba olona mora miova sy mivadika na dia mafy sy mavesatra aza ny hatsojay sy tsindry hazo-lena mahazo azy.

    Faly sy velom-panantenana ireo vahoaka Malagasy mpanohana sy mpanara-dia ny Filoha Ravalomanana fa hatramin’ilay olona nanongana azy aza vaky vava sy nijoro vavolom-belona  mihitsy nilaza hoe:"Mbola tsy niova Rangahy iny”

    Mbola tsy niova tokoa Rangahy iny ary mampanantena ireo vahoaka nifidy sy mpanohana azy fa hanao izay fomba rehetra hiverenana eto an-tanindrazana indray ary vonona tanteraka hisedra fifidianana filoham-pirenena izay safidim-bahoaka sy safidin’ny Malagasy rehetra.

    Marihina fa filoham-pirenena voafidy sy nametrahan’ny vahoaka Malagasy ny fitokisany  indroa nisesy teto amin’ny Firenena Rangahy iny. Ary ireo fifidianana ireo dia vita sy norombahiny tamin’ny fihodinana voalohany avokoa.

    Hazo avo halan-drivotra ny Filoha Ravalomanana satria nandritra ny efa-taona latsaka no tsy nitsahatra nanapotika, nanaratsy, nanaparitaka vaovao tsy marina ary nanenjika azy ny fitondran-dRajoelina. 

    Nandritra ny efa-taona no tsy nitsahatra nanao fampihelezan-kevitra sy nihezaka nambabo ny fon’ny Malagasy tamin’ny fomba rehetra i Rajoelina. Hatramin’izao anefa mbola tsy niova ny Filoha Ravalomanana fa mbola atahoran’ny mpanongam-panjakàna sy ny mpifaninana aminy hatrany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.

    Tena mbola tsy niova Rangahy iny…atahorana mafy ho lany Filoham-pirenena fanin-telony eto amin’ny Firenena indray…Ho lany "PREMIERA TORO DIA VITA" indray…Mbola tsy niova Rangahy iny fa tena mbola mamim-bahoaka foana hatramin'izao.


    DR

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...