“Tsy namitaka ary tsy hamitaka vahoaka mihitsy aho”
Sesilany indray ny fanaratsiana an’i Marc Ravalomanana amin’ny lafiny maro. Voizina fa tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana, toy ny resaka fanokafana ny AAA-Tiko.
Mirarakopana ny serasera atao handotoana ny TIM sy hanakonana ny tolona ho an’ny fanovana. Foronina ny taratasy miendrika fifanarahana politika, ka vita hatramin’ny fangalaran-tsonia hoenti-mamendrofendro ny vahoaka fa mpamadika ny tolona sy ny vahoaka i Marc Ravalomanana sy ny TIM. Lainga marivo tototra anefa no betsaka ka vaky bantsilana hatrany ny fanalam-baraka sy fanaratsiana. Tsy mbola namitaka vahoaka aho ary tsy hamitaka azy mihitsy, tsy nisy fifanarahana politika nosoniavina izany ary tena mandainga izay milaza izany, hoy Atoa Marc Ravalomanana omaly raha tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety nandritra ny lanonam-panokafana ny Salon de l’industrie de Madagascar teny amin’ny Forello Expo Tanjombato.
Tsy nisy fifampiresahana na fihaonana mialoha ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta, hoy i Marc Ravalomanana ary tena nahagaga, hoy izy fa tsy nahazo anjara fitenenana ny minisitry ny Indostria Guy Rivo Randrianarisoa nandritra ny lanonam-panokafana ny SIM, izay zavatra tena tsy fanao mihitsy. Matoa mitohy ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, hoy izy dia tsy ankasitrahan’izy ireo izany ny zava-misy amin’izao fotoana, tsy mbola tanteraka ny fitakiana ary tsy vita ny fanovana. Aoka tsy hifamitaka, hoy i Marc Ravalomanana fa tsy nisy nanasonia fifanarahana politika izany teto, ary raha misy milaza izany dia asehoy ilay sonia tena izy, fa tsy mifanala baraka eto fotsiny.
Laha-tsoratra: http://tiatanindrazana.com
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire