menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • mercredi 30 mai 2018

    Hafatry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara - "Manjaka loatra ny fitiavam-bola arahin’ny tsy rariny"


    hafatra-eveka-madagasikara-2018.jpg
    Sary tahiry Lakroan'i Madagasikara

    “ Ny taranakao hanorina indray ny rava ela… hahatonga ny tany ho azo honenana ” (Izaia 58, 12)

    Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.
    Ho antsika Kristianina sy izay tsara sitra-po rehetra.

    Nangetaheta fihavaozana sy fanavaozana ny firenentsika, fa toa manjaka loatra ny fitiavam-bola arahin’ny tsy rariny. Hadino tanteraka ny fitiavana an’Andriamanitra. Kanefa Izy miara-dalana amintsika isan’andro. Nasehony miharihary izany fitiavana izany tamin’ny nanambarana ny maha Olontsambatra an-dRamose Lucien Botovasoa vao tsy ela akory izay.

    Mbola fisehoan’ny Fitiavan’Andriamanitra antsika, ary isaorana Azy, ny nifidian’ny Papa Ray Masina Fransoa an’i Mgr Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina ho Kardinaly, Mpiara-miasa aminy, Mpanolo-tsaina azy akaiky sy Tanan-kavanany. Fisaorana mitafotafo no atolontsika Malagasy ny Papa, amin’ny namaliany ny hetahetantsika. Miharihary izao fa ao am-pon’ny Papa Fransoa ny firenena Malagasy, manan-danja eo amin’ny Eglizy eran-tany ary manana ny anjara toerany ao amin’ilay “ Tranobe iombonana ”.

    Tato ho ato, nisavorovoro ny fiainam-pirenena noho ny fahamarinana itsakitsahin’ny fitiavam-bola. Ny rariny itompoana anefa zary heloka. Tsy nifampihaino intsony na ny an-daniny na ny an-kilany, samy nampiaka-peo, nifandrangitra tamin’ny teny mandratra. Very ny soa toavina malagasy raiketin’ny teny ierana sy ny fifanajana. Tsy eken’ny eritreritra ny herisetra na avy aiza na avy aiza iaviany. Samy manindrahindra ny “ vahoaka ” ho soa iombonana. Ry vahoaka maro an’isa ô, firifiry ny hadalana atao amin’ny anaranao ! Nanome valy ny HCC na dia tsy mahafa-po tanteraka ny daholobe aza. Miangavy fitoniana aminareo mpanao politika izahay, samy hiatrika ny soa iombonan’ny Malagasy dia ny Fifidianana ho tanterahina amin’ny fomba malalaka sy mangarahara, fenitry ny tany demokratika.

    Mitodika amin’ny vahoaka ahindrahindra izahay. “ Ampy izay ny fanaovana anao ho tohatra fiakarana ”. Ny latsa-bato no mampitovy zo sy fahefana antsika vahoaka olom-pirenena : mitovy hasina sy zo na vehivavy na lehilahy, na mpanan-karena na fadiranovana na mpitondra na entina. Miantoka ny ho avy ny latsa-bato ataonao, koa mba mailo manoloana ireo tampi-maso atao anao amin’ny fampielezan-kevitra. Manàna herim-po miatrika ny fanaovana “ Ramatahora ”. Aza mihalangalana na tsy miraharaha ny fandatsaham-bato fa io vatonao io no anehoanao ny maha-olom-pirenena Malagasy feno anao.

    Mitodika aminareo te-hitantana ity firenena ity izahay. Tsy sanatria mitompon-teny fantatra izahay fa mba tsy hiverenan’ny fifanomezan-tsiny lava sy mahazatra hoe : “ fako navela na vary mangatsiakan’ireo mpitondra teo aloha ”, dia ireto no heverinay fa asa maika miandry anareo :

    Fandriam-pahalemana, fananan-tany (tanin’ny Razana).

    Fanarenana ny toe-karena, sakafo sy vidim-piainana midangana.

    Fampianarana sy Fanabeazana ny taranaka : fandrafetana programam-pianarana mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, fanarenana ireo foto-drafitra asa simba, fampitovian-jo ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina (subventions…).

    Fahasalamana sy ny mpandraharahany : fandraisana maimaim-poana ny marary any amin’ny Tobim-pahasalamana tantanan’ny Fanjakana.

    Ady amin’ny kolikoly sy fampiharana ny lalàna (tan-dalàna tena izy).

    Fampiharana ny lalàna momba ny Etat-civil (kopia, kara-panondro).

    Fanamboaran-dalana.

    Fahaizana miaro sy mitrandraka ny harem-pirenena ho tena fampivoarana marina ny Firenena manontolo.

    Fanomezana asa ny Tanora.

    Fanovana ny Lalam-panorenana.

    Ireo toetra takiana, indrindra amin’izay te-ho Filoham-pirenena

    Tia sy mahafoy tena marina ho an’ny Tanindrazana, olona matahotra an’Andriamanitra sy manana fahendrena.

    Mitandro ny fiandrianam-pirenena sy ny Fananam-pirenena. Mikatsaka ny soa iombonana.

    Marina, mahitsy, manaja ny teny nomena, mitandro ny rariny sy hitsiny, mahay mampandefitra ny hambom-po

    Mahay mihaino, mahay mifanakalo hevitra, olona azo iresahana ary mahay mandanjalanja

    Manana fahalalana ampy ny kolotsaina malagasy ary mampiray sy mampitovy ny Malagasy rehetra

    Tsy mampifangaro ny raharaham-pirenena amin’ny raharaham-pianakaviana (Antoko, maha-mpandraharaha …)

    Tsy mampifangaro ny raharam-panjakana sy ny raharaham-pinoana na ny Fivavahana sy Politika.

    Amin’ny andro mikitroka toy izao isika no tokony hitodika indray amin’ny fomba niainan’ireo Olomasina zokintsika ny làlana sarotra. Mahatsiaro an-dry Olontsambatra RASOAMANARIVO Victoire, vehivavy be herim-po sy votom-pinoana. Volamena latsaka am-bovoka, tsy navelan’ny toetrany tsy hamiratra.Toy izany koa ny Olomasina sy Olontsambatra isany : Mompera Jacques BERTHIEU, Mompera Jean BEYZYM, Raphaël-Louis RAFIRINGA, fa indrindra i Lucien BOTOVASOA. Mampitamberina indray, ho an’izay mahalala ny tantara, ny aizina nikitroka nijabajaban’ny Firenena, niady an-trano sy nifandrombaka fananana fa nanjary fanjakan’i Baroa, tsy nisy lalàna nohajaina. Nopotehina ny fanabeazana ho avin’ny solofo sy dimby antoky ny Firenena. Nohitsahina am-paladia ny maha-malagasy sy ny soa toavina ao aminy. Tao anatin’izany indrindra no nipoitra, nentanin’ny finoana tsy azo hozongozonina, ary henika ny Fanahin’Andriamanitra ry Lucien Botovasoa. Ny hafatra navelan’ireo Olomasina sy Olontsambatra amintsika dia ny fahafoizany ny aina ho an’ny Tanindrazana sy ny fijoroana amin’ny marina.

    Ho taranaka mpanorina isika raha mifanaja sy manao ny marina, ka lavitra ny korontana sy ny herisetra, antoky ny filaminana sy fikatsahana ny soa iombonana, mitondra amin’ny fampandrosoana maharitra manaja ny olona manontolo sy ny olona rehetra.

    Ho taranaka mpanorina isika raha samy miasa ary mampamokatra ny talentan’ny tsirairay ho entina hanasaovana ny firenena.

    Miambena ary mivavaha isika, sao latsaka am-bovon’ilay ratsy. Tohizina noho izany ny vavaka fangatahana Fandriam-pahalemana efa dimy taona lasa izay. Miezaka hanamasin-tena ny isan-tokantrano. Manaiky hiatrika ny marina ka hibebaka ny mpitondra isan’ambaratongany sy ny mpanao pôlitika.

    Hanampy antsika hatrany anie ny fandiovan’ny Fanahy Masina, ary dia manomana tsikelikely ny JMJ MADA IX, amin’ny alalan’ny fandalinam-pinoana sy fandraisam-pahasoavana isika, araka ny torohevitry ny Anjely fahiny tamin’i Masina Maria hoe : “ Aza matahotra ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao ”. Aza matahotra, ry Malagasy hanarina ny Firenenao fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ankinintsika amin’i Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara ny ezaka rehetra ataontsika.

    Dia mitso-drano anareo izahay Evekan’i Madagasikara.

    Episcopat Ambatoroka, anio 29 mai 2018

    Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

    Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra
    Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly
    Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
    Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,
    Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,
    Mgr Fulgence RABEONY Arsevekan’i Toliary
    Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé
    Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja
    Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i Mahajanga
    Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka
    Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana
    Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe
    Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano
    Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra
    Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
    Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana, Administrateur Apostolique-n’i Moramanga
    Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy
    Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro
    Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe
    Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana
    Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo
    Mgr Antonio SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka
    Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava
    Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé
    RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...