menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • mardi 29 mai 2018

    Fanambaran'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) manoloana ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC)


    FANAMBARANA 26 MAY 2018
           

                Eo anatrehan'ny fanapahan-kevitra laharana 18-HCC/D3 tamin'ny 25 may 2018 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana dia ketraka tanteraka izahay Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) manoloana ny FANITSAKITSAHANA MIHARIHARY NY LALAM-PANORENANA SY LALANA ka MANALA BARAKA TANTERAKA ny FITSARANA ary MIENDRIKA FANOSIHOSENA NY TANY TAN-DALANA;


    Hita sy tsapa fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana izay hany andrim-panjakàna nantenain'ny olom-pirenena ho fiarovana ny fanajana ny Lalam-panorenanasy andry farany azo ianteherana dia:

            - MAMPIROBOROBO NY "TSY MATIMANOTA" noho ny tsy fanononana ny sazy, voalazan'ny lalàna, nefa manaiky ny fisian'ny fandikan-dalàna;

            - NANDIKA NY FISARAHAM-PAHEFANA izay faritan'ny Lalàm-panorenana amin'ny fandidiana ny fandravàna ny Governemanta, izay fahefàn'ny Antenimieram-pirenena amin'ny alalan'ny fitsipaham-pitokisana;

           - TSY MAMALY NY FANGATAHANA NATAON'NY MPITORY, izay endrika tsy fanajana ny fitsipika moraly mifehy ny asam-pitsarana amin'ny famoahana didy miendrika fifanarahana ara-politika.

    NOHO IZANY DIA:

           - MELOHINAY TANTERAKA IZAO FAMOAHANA DIDY MAMOHEHITRA sy MAMOAFADY IZAO, IZAY MARIHINA FA MIVOANA TANTERAKA AMIN'NY LALANA TOKONY HAMPIHARINA SY TANY TAN-DALANA izay TAKIANAY SY IMATIMATESANAY fatratra HATRIZAY!

    VERY HASINA TANTERAKA NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAM-PANORENANA!

    fanambarana-smm-sendika-mpitsara-madagasikara.jpg

    Aucun commentaire:

    Enregistrer un commentaire

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...