menu

ACCUEIL | REVELATIONS | POLITIQUE | ECONOMIE | POLITIKA | TOEKARENA | VAOVAO/YOUTUBE
  • mardi 17 décembre 2019

    Vonjeo Ambohitrimanjaka: Fady ny mivarotra Tanindrazana! aza avela hiady irery Ambohitrimanjaka


    ambohitrimanjaka-sainam-pirenena-madagasikara.jpg
    Nasian'ny vahoaka sainam-pirenena teny an-tanimbary - Fady ny mivarotra Tanindrazana! Tsy azo amidy Ambohitrimanjaka

    Mahatsiaro tena miady irery sy toy ny atody miady amam-bato ihany ireo vahoaka tantsaha maro be etsy Ambohitrimanjaka ankehitriny manoloana ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena mahazo azy ireo.

    Na izany aza dia tsy mitsahatra maneho ny heviny sy maneho ny fahatezerany ary ny alahelony ao anatin'ny firaisan-kina tanteraka i Ambohitrimanjaka.

    Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo vahoaka tompon-tany ary mitaintain-dava satria ny Tanindrazany izay nokolokoloin'ireo Raiamandreny sy razam-be nifandimby ary fivelomany sy antoky ny ho avin'ireo taranaka any aoriana no misy mikasa hanao ampihi-mamba sy didin'ny be sandry tsotra izao ankehitriny. Ketrehin'ireo manam-pahefàna sy mpanam-bola bodoina sy vidina ao anatin'ny indray mipihi-maso ny Tanindrazana sy fiainan'izy ireo. Miantso vonjy Ambihitrimanjaka.

    Mitaraina sy malahelo ireo tantsaha sy mponina eny an-toerana. "Fady ny mivarotra Tanindrazana", "Any amin'ny toerana hafa tsy misy mponina no tokony hananganana tanàna vaovao sy hanorenana biraom-panjakàna ary tanànam-bazaha fa tsy eto." hoy ny kiaka sy antso vonjin'Ambohitrimanjaka. Misy mihaino ve? Azontsika an-tsaina ve ny fahoriana sy tebitebin-tsaina isan'andro iainan'ireo mpiray Tanindrazana eny Ambohitrimanjaka?

    Iza marina no tena mahazo tombotsoa amin'izao fibodoana an'Ambohitrimanjaka izao, ireo tantsaha sy mponina eny tokoa ve? Iza no mahazo tombony amin'ny fanapenam-bava sy fanaovana tsindry hazolena ary famoretana ireo mponin'Ambohitrimanjaka izay tsy manan-tsafidy afatsy ny fijoroan'izy ireo hiaro ny Tanindrazany ankehitriny?

    Manasa sy manainga antsika rehetra hanaraka sy hitsidika ny Pejy Facebook Vonjeo Ambohitrimanjaka 974 izay ahitàna ireo vaovao maro isan-karazany sy vidéos maneho ny fitarainan'ireo mponinan'Ambihitrimanjaka.








    Sary: Pejy Vonjeo Ambohitrimanjaka 974

    1 commentaire:

    1. Ny tena marina dia tsy fantatr'i Rajoelina velively ny lanjan'izany atao hoe Tanindrazana izany.Na dia mahita ireo Ray aman-dReny mitalaho sy mitomany ireo fotsiny aza ve dia tsy mba hahatonga saina na dia tsy misaina toy inona aza? Ny business sy ny sehoseho ivelany no zava-dehibe indrindra fa tsy ny fitiavana na ny fitiavan-tanindrazana. Na Antananarivo aza novidiana sy nomena vazaha noho ny égoïsme sy ambo diso tafahoatra. Asakasatsika Malagasy tompon-tanindrazana raha mbola hanaiky hatrany izao fanitsakitsahina sy fanaovana tsinontsinona antsika sy ny Tanindrazantsika izao. Misy hasina ity Madagasikara ity fa tsy izao mpanam-bola sy mpivarotra Tanindrazana rehetra izao akory dia afaka hanota-fady sy hanao ny hadalany eto foana.

      RépondreSupprimer

    Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...