Nivadika hatramin'ny sainam-pirenena... |
Ny lasa tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy, ary ny tsy fanadinoana ny tantara dia efa anjara birika lehibe iray hampandrosoanao ny Firenenao sy mariky ny fitiavanao azy.
Zovy no tsy vaky fo, iza no tsy malahelo, tsy vitsy koa no mitomany mahita ny faharavàna sy fahapotehana ary ny zava-doza mahazo ny Tanindrazana ankehitriny.
Lasa fahazaran-dratsin’ny malagasy sisa ny maheno fa ny Fireneny no anisan’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Zary lasa tandra vadi-koditra sy sakafo isan’andro ny tsy fandriam-pahalemana, ny herisetra, ny fanararaotam-pahefàna.
Toa jerem-potsiny sisa ireo harem-pirenena maro be izay mampiavaka ity Nosy ity hanjakàn’ireo vahiny sy ireo olom-bitsy milaza fa tompom-pahefàna ary migoka ny tombotsoa mihoa-papana azo avy amin’izany haren’ny Malagasy izany.
Ny 95%-n’ny malagasy dia fadiranovana sy zara raha misakafo tapa-kibo sisa ary mangetaheta ambony lakana mitsiriritra ity harem-be viravirain’ireo tsy mataho-tody. Moa tsy tompony mangatak'atiny va ?
Santionany fotsiny amin’ny jaly sy fahoriana mahazo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ireo ary tsy tongatonga ho azy fa niniana natao noho ny haitraitra sy fitiavan-tena ary tsy fiheritreretan’ireo olom-bitsy sasany izay migoka ny harem-be goavana eo ambonin’ny fahantran’ny vahoaka malagasy ankehitriny.
Nopotehina sy nahongana tamin-kery feno herisetra sy habibiana ny fitondrana teo aloha fa tsy nahavita azy hono sady tsy nahay nitantana firenena ary nampahantra ny malagasy.
Ny tena marina matoa manongana dia mahavita tsaratsara kokoa noho ny teo aloha, matoa manongana dia mahavita mampandroso bebe kokoa noho ilay mpitondra nahongana.
Inona nefa ny zava-misy ankehitriny ? Dimy taona izao ny fitondràn’ny mpanongana no teo fa mba nahavita tsara lavitra noho ilay fitondràna nahongana izay nohendrikendrehana fa fototry ny ratsy rehetra tamin’izany fotoana ve?
Aiza ho aiza ny toerana misy an’i Madagasikara ankehitriny, dimy taona aty aoriana, raha tsy hijery afatsy ny lafin'ny ara-toekarena, sosialy, ary politika isika?
Firy isan’andro ireo zaza Malagasy miala an-daharana sy tsy miditra an-tsekoly intsony ? Lasa manampy ireo Ray aman-dReniny eo amin’ny sehatry ny fitadiavana.
Firifiry ireo Malagasy tsy an’asa ankehitriny vokatry ny krizy lavareny ?
Firifiry ireo vaki-trano sy vono-olona tsy mitsaha-mitombo isan’andro ary tsy mampandry andro, tsy mampandry alina ny fiaraha-monina izay lasa mandry an-driran’antsy lava noho ny tahotra sy horohoro?
Aza adino fa tamin’ity fitondràna mpanongam-panjakàna ity no nisy hainoamanjery (radio sy televiziona) nakatona sy nohidiana be indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara. Maherin’ny 80 isa izany manerana ny Nosy. Ankoatr’ireo izay nodorana sy nopotehina tamin’ny andron’ny alatsinainy mainty.
Aza adino fa tamin’ity fitondrana mpanongam-panjakàna ity no nisy mpanao gazety, mpitondra fivavahana, miaramila, olon-tsotra, sns…betsaka indrindra nigadra (fonja mora)
Aza adino fa i Madagasikara no anisan’ny firenena vitsy misy mpanongam-panjakàna nibodo toerana sy fahefàna ela indrindra teo amin’ny fitondràna (dimy taona), ary anisan’ny firenena vitsy, mba tsy hilazàna hoe tokana manana mpanongam-panjakàna voasazy iraisam-pirenena nefa afaka milatsaka hofidiana (filoham-pirenena sy solombavambahoaka) ihany avy eo.
Ny galona na girady betsaka indrindra tao anatin’ny fotoana fohy indrindra niakatra ho an’ireo miaramila tsy tanisaina intsony.
Ankehitriny mandalo kihon-dalana vaovao ny Firenena. Kihon-dalana hafa kely satria dia manomana fifidianana hafa kely tsy toy ny mahazatra.
Eo indrindra no tiana hanairana sy hamohazana ny saintsika vahoaka Malagasy rehetra.
Aoka re mba tsy handrihandry manan’aretina isika!
Aoka re mba tsy ho varimbarian’ny lavitra isika ka tsy hahita ny zava-doza izay efa nikiky maharitra ny Firenena.
Aoka re mba samy hijoro ho tompon’andraikitra amin’ity Tanindrazana iombonana ity isika rehetra ka samy hifoha daholo amin’izay ary hisoroka ireo loza rehetra izay mety ho avy sy mananontanona.
Aoka mba samy tsy ho voarebireby sy voaraikiraikin’ireo vola be mifafy etsy sy eroa izay aparitak’ireo efa zatra mividy fahefàna sy matahotra safidim-bahoaka.
Indrindra indrindra, aoka mba samy hahatadidy tsara ny tantara sy ny zava-misy teto isika ka tsy hamerina intsony izay fahadisoana efa vita sy lasa. "Ny lasa hono tsy fanadino mba hibanjinana ny ho avy."
Aza adino ny tantara, ary raiso an-tanana ny ho avinao sy ny Firenenao. Sahia mijoro ho olom-pirenena tompon’andraikitra sy tia tanindrazana marina satria isika rehetra no tompon’i Madagasikara ary isika rehetra no afaka hanarina sy hanavotra azy indray!
D.R.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire