![]() |
Nous comprenons alors pourquoi Andry Rajoelina n’a pas hésité à renier sa signature. (...) |
NY ANDRAIKITR’I LAFRANTSA AMIN’NY KRIZY ETO MADAGASIKARA (Pr Adolphe E. RAKOTOMANGA)
« Lasa kanosa ny Olona raha mangina izy fa tsy midradradradra » (Abraham LINCOLN)
(Nadika avy amin’ny teny frantsay)
Misaona ny aty fo amam-panahinay hatramin’ny 17 Mars 2009 no mankaty, andro nilatsahan’ny loza amin’antambo tamin’i Madagasikara, ka niteraka faharavana sady haingana no tsy azo ivalozana: faharavana eo amin’ny lafiny fitondran-tena, politika, fihariana, fiaraha-monina, kolontsaina. Tsy misy ahafantarana azy intsony ireo andrim-panjakana, ary ny demokrasia dia noviraviraina ka zary toy ny voro-damba rovitra maharikoriko. Taorian’ny 1947 dia miaina ny vanim-potoana maizina indrindra i Madagasikara ary tsy misy valaka amin’ny firenena voanjoin’ny hafa*, toa an’i Lafrantsa fahizay tamin’ny andron’ny fitondrana nazi (1939 – 1945).
Sady mihoron-koditra izahay no misafoaka, satria izao vao nanala ny saron-tavany io Lafrantsa io ihany. Tsy menatra akory mantsy izy nanolotra ny “sori-dalany”, izay ihamboany fa hahasolo ireo dina voasonia tany Maputo sy Addis Abeba, lazainy fa tsy azo ampiharina1. Mazava aminay izany izao ny antony nahatonga an’i Andry Rajoelina hivadika tamin’ny sonia nataony: tsy nahita tombontsoa tamin’ireo dina ireo ny Fanjakana frantsay, izay niafina tao an-damosiny.
Mazava aminay tahaka ny masoandro be lohataona koa ankehitriny ny valin’ireto fanontaniana ireto: NAHOANA no mikatso ny toe-draharaha ary IZA no mampikatso azy? Satria ny Fanjakana frantsay dia manana any anaty kitapony any ny sori-dalany manokana, mifanaraka kokoa amin’ny tombontsoany sy amin’ny zava-kendreny.
Tsy marina va izany ny voalazan’i Marc Ravalomanana nanondro ny Frantsay ho tao an-damosin’ireo mpanongam-panjakana raha niteny avy any Afrika Atsimo izy tamin’ny 27 mey 2009? Zara anefa raha nampahalala izany ireo haino aman-jery tamin’izany fotoana izany2.
Fantatray ankehitriny fa Andriamatoa Filoha, izay azo antoka fa manana ny loharanom-baovaony manokana, dia tsy nirediredy na very saina raha nanao izany fanambarana izany.
Ambonin’izany, dia indreto toe-javatra maromaro miara-manamarina ny fananan’ny Fanjakana frantsay andraikitra amin’ny fikatsoan’ny toe-draharaha ankehitriny:
a. Ny nahitana teo akaikin’i Andry Rajoelina mpanolo-tsaina frantsay dieny tamin’ny ora voalohandohan’ny fanonganam-panjakana;
b. Ny fihetsiketsehana sesilany nataon’ny solotenany eto an-toerana: fanolorana taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro, fanatrehana ny femetrahana “ny Tompom-pahefana vaovao eto Madagasikara”, fihaonana tsy tapaka amin’io Tompom-pahefana io sy amin’ireo manam-pahefana hafa azo ampiasaina sy karamaina hiaro ny tombontsoan’i Lafrantsa,
d. Ny fandraisan’i Paris an’i Andry Rajoelina taorian’ilay tehamaina nomen’ny Fivoriam-ben’ny Firenena Mikambana (Septambra 2009);
e. Ny fihaonany tamin’ny Olom-boafidy (UMP), Antokon’ny Filoha Sarkozy tany Frantsa, izay nankalazain’ny haino aman-jery fatratra;
f. Ny firodorodoana mahonena nataon’ireo iraky ny Quai d’Orsay (Ministeran’ny Raharaham-bahiny) tany an-toerana tamin’ny fanomanana ny dinan’i Maputo 2;
g. Ny famoahana tamin’ny fotoana nilana azy ilay “sori-dalana” natolotr’i Alain Joyandet ary avy dia neken’i Andry Rajoelina, naneho ny fahavononany hanao sonia azy tsy asiana adihevitra;
h. Ny tsy fitateran’ny gazety frantsay mihitsy ireo fihetsiketsehana ataon’ny Mpomba ny Ara-dalana sy ny Dinan’i Maputo/Addis Abeba saika isan’andro, toraka izany koa ny fisian’ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana;
i. Ny fanginana mahazendana asehon’ireo Frantsay maro monina eto Madagasikara, mahita tsara ny zava-mitranga;
j. Ary, na dia ambinambin-javatra aza, ilay “Taratasy Misokatra” hafahafa nataon’ny Mompera Pedro3 (vao nomena mari-boninahitra frantsay “Legion d’Honneur”) ary nalefany tamin’i Louis Michel, “Commissaire européen au développement et à l’aide humanitaire, ary ankehitriny Filoha Mpiara-mitantana ny “Assemblée paritaire ACP-UE”.
Mazava loatra fa tsy lisitra feno io, satria ny voatsiahy etsy ambony dia tsy misy afa-tsy ireo zavatra tena mibaribary, izay, raha mitambatambatra, dia midika ho fankatoavan’i Lafrantsa ny Fahefana misora-tena eto Madagasikara. Araka izany, ny Fanjakana frantsay dia tsy miala amin’ny paikady fampiasany any amin’ireo firenena afrikana toa an’i Côte d’Ivoire, Congo-Brazzaville, Mauritanie, Gabon, Guinée, Niger, ets…
Misy zavatra toa tsy nampoiziny anefa, dia ny fientanana saika avy hatrany hanohitra ny fanonganam-panjakana, hitaky ny Ara-drariny sy ny Ara-dalàna. Nihamafy izany fientanana izany haramin’izay rehefa niditra an-tsehatra ny Fiarovana ny Fiandrianam-pirenena sy ny Fahaleovan-tena. Koa, na dia eo aza ny ady lavareny anagejan’ny “Fahefana misora-tena” ny vahoaka Malagasy, dia tsy hanome tanana ny Fanjakana frantsay mihitsy izy amin’izao amboletra ataony hametraka indray ny sainany “telo soratra” erý an-tendron’ny Lapan’i Manjakamiadana amin’izao taonjato faha XXI izao!
Tena faran’izay mazava mantsy ankehitriny ny zava-kendren’ny manam-pahefana frantsay, dia izao : hijanona ho tany frantsay i Madagasikara ary izay ho Filoha vaovao (tadiaviny hampandaniana amin’ny fifidianana teren-ko masaka toa voalobo-jaza) dia ho “naman’i Frantsa”.toy ireo Filoham-panjakana afrikana maro, tsy ankatoavina ary halan’ny vahoakany, satria voafidy tamin’ny fomba tsy mazava. Midika izany fa, amin’i Madagasikara manokana, dia mety daholo ho an’i Lafrantsa sy ny forongony izay fomba rehetra hisakanana ny fodian’i Marc Ravalomanana.
Sahy milaza àry izahay izao fa raha tsy afaka nitsoaka tao Iavoloha ho any an-tsesitany izy tamin’ny Mars 2009, dia ny fatiny no ho noraisina tao. Tena ho nahafa-po olona maro izany, indrindra izay Fanjakana iray any izay. Ary ny fahafatesany, toy ny an’ny Kolonely Ratsimandrava, dia ho lasa mistery fanampiny, tsy ho azo nohazavaina na oviana na oviana. Na, raha tsy izany, dia ho noporofoin’ireo fahavalony fa “namono tena izy”.
Tamin’ny 2009, ny PNUD dia namoaka ny fandaharany ny firenena eran-tany4araka ny fandrosoan’ny maha olona ao aminy avy tamin’ny 2007…. Laharana faha-145 ao anatin’ny 182 i Madagasikara, noho izany, tamin’ny 2007, dia anisan’ireo firenena nanana tondro fandrosoana salasalany eo amin’ny maha olona izy. Amin’ireo firenena 25 voasokajy ho farany (satria ambany ny tondro fandrosoan’ny maha olona ao aminy) dia zanatany frantsay taloha ny 11 amin’izy ireo. Tsy mino izahay fa kisendrasendra na ozona no nahatonga izany.
Ekena fa manana andraikitra amin’izany ny mpitondra ireo firenena ireo sy ny vahoakany. Rehefa tomorina anefa dia ny tarazon’ny fanandevozona sy ny fanjanahan-tany, nampian’ny asa maloto sesilany nataon’ilay antsoina hoe:“FrançAfrique” no nahatonga ny kontinanta “mainty” ho mainty noho ny herisetra, ny fahantrana, ny halatra, ny kolikoly, ny fifidianana terena sy amboamboarina, ny fanangonam-panjakana, ny fandripahana ain’olona… ka ho lasa firenena an-dalam-pilentehana ankehitriny.
Porofon’izany ilay kabary nataon’Andriamatoa Sarkozy tamin’ny 26 jolay 2007 tao amin’ny Oniversite Cheick Anta Diop any Sénégal. Manafintohina ilay kabary ka nahatonga ny avara-pianarana afrikana maro ho tezitra5. Sady mivantambantana ny teniny no misy hevitra mifonofono, sady manasohaso ny Afrikana no manaratsy azy, ka mampibaribary ny tsy fahalalany ny tantaran’i Afrika mainty sy ny vahoakany. Tsy nanaiky mihitsy ny fangatahan’ny Afrikana fifonana noho ny fanandevozana sy ny fanjanahan-tany izy, fa nanilika ankitsirano ny andraikitra rehetra tany amin’izy ireo, ary dia nanamaivana ny andraikitr’i Lafrantsa mpanjanan-tany taloha sy ankehitriny. Ny tena loza aza dia ity: nitaky an-kolaka tamin’i Afrika tsy mahay mankasitraka izy mba hangataka ny famelan-keloka avy amin’i Lafrantsa, ilay firenena mpanamboatra tetezana, lalana, sekoly, hôpitaly ho azy!
Aoka anefa tsy hadika vilana ny teninay. Izahay dia nofanin’ny sekoly frantsay. Manaja ny vahoaka frantsay sy i Lafrantsa izahay, dia i Lafrantsa tanin’ny zon’olombelona, i Lafrantsa nisedra ny fijaliana sy ny fanitsakitsahana nandritra ny fitondran’ny Nazis, i Lafrantsa mitolona mba hampamirapiratra ny teniny sy ny kolontsainy manerana ny tany.
Saingy dia toherinay ary melohinay amin’ny herinay rehetra ny politikan’ilay Lafrantsa anankiray, sady manao asa maizina no manani-bohitra, ka te hampanjaka ny tombontsoan’izy irery hoenti-manapotika ny tombontsoan’ny Hafa.
Adolphe E. RAKOTOMANGA
Maître de Conférences - Université d’Antananarivo
Filohan’ny Fikambanana « Force de l’Education et de la Recherche »
Minisitry ny Fampianarana Ambony taloha
___________________________
* Voanjoina : fiteny faha-panjaka, avy amin’ny teny hoe : voanjo, na miaramila miandry tany sy mitrandraka ny harena eo an-toerana. Noho izany, ny voanjoina dia midika hoe: ametrahana voanjo. Fanazavana avy amin’ny mpandika teny.
1 Ireo dina ireo anefa dia nankatoavina ary notohanan’ireo fikambanana iraisam-pirenena (Firenena Mikambana), irasian’ny kaontinanta (Firasiam-ben’i Eropa, Firaisam-ben’i Afrika), iraisan’ny Faritra (SADC)
2 Jereo Midi Madagasikara tamin’ny 27 Mey 2009, p.3.
3 Cf. Les Nouvelles tamin’ny 03 Avril 2009, p. 2 izay ahitana an’i Pr Pedrp nanoratra hoe « Mandry fahalemana ii Madagasikara na dia nisy aza ny fifandonana niseho etsy sy eroa ». Io lahatsoratra io dia miantehitra amin’ny filazan’ny Frantsay momba ny krizy sy ny nahatonga azy, ka nanilika ny andraikitra rehetra amin’i Marc Ravalomanana.
4 Jereo Rapport mondial sur le Développement Humain 2009 navoaky ny PNUD tamin’ny oktobra 2009.
5 Cf. L’Afrique répond à Sarkozy. Edition Philippe Rey, 2008. OEuvre Collective de 23 intellectuels Africains dont le Malgache Raharimanana.
REFLEXION DU PROFESSEUR ADOLPHE RAKOTOMANGA
«C’est en gardant le silence au lieu de hurler que l’Homme devient un lâche» (Abraham LINCOLN)
Nous portons le deuil dans notre âme et conscience depuis le 17 mars 2009, date du début de la tragédie qui s’est abattue sur le Pays et qui a provoqué sa rapide et inexorable décomposition : décomposition morale, politique, économique, sociale, culturelle.
Les Institutions sont devenues des caricatures et la démocratie réduite à d’horribles oripeaux. Madagascar vit sa plus noire de son existence après celle de 1947 et prend l’allure d’un Pays occupé, comme l’était en son temps une certaine France par l’abominable régime nazi.
Nous sommes horrifié et indigné du fait de cette même France qui vient de tomber les masques. En présentant d’une façon éhontée et grossière « sa feuille de route » qu’elle prétend substituer aux accords cosignés de Maputo et d’Addis-Abeba, accusés par elle d’inapplicables (1).
Nous comprenons alors pourquoi Andry Rajoelina n’a pas hésité à renier sa signature. Parce que l’Etat français, embusqué derrière lui, n’a pas trouvé ses comptes dans ces accords.
Nous comprenons alors, d’une façon fulgurante, pourquoi la situation est bloquée et par QUI : parce l’Etat français a dans ses papiers son propre schéma, plus conforme à ses intérêts et à son objectif ultime.
Le 27 mai 2009, depuis l’Afrique du Sud Marc Ravalomanana n’avait-il pas accusé les Français d’avoir été derrière le coup d’Etat ? C’est à peine si les médias en ont fait mention (2). Nous savons maintenant que le Président, qui possède sans aucun doute ses propres sources de renseignements, n’a pas fait cette déclaration dans un moment de délire ou d’égarement.
D’ailleurs, un faisceau de faits convergents balise la traçabilité de l’implication de l’Etat français dans la persistance de la situation actuelle.
la présence auprès de Andry Rajoelina dès les premières heures du putsch d’un Conseiller français,
l’activisme forcené de son représentant sur place (présentation de lettre de créance, présence physique lors du sacre du « nouvel Homme fort de Madagascar », rencontres incessantes avec ce dernier et avec d’autres personnalités susceptibles de servir de jokers à la solde de la France,
l’accueil de ce dernier par Paris après le camouflet à lui infligé par l’Assemblée Générale de l’ONU (septembre 2009),
sa rencontre largement médiatisée avec des parlementaires UMP en France,
le grouillement pathétique des émissaires du Quai d’Orsay sur les lieux lors de Maputo 2,
la sortie, à point nommé, de cette « feuille de route », présentée par Alain Joyandet et aussitôt agréée par Andry Rajoelina lequel est prêt, semble-t-il, à la signer les yeux fermés,
l’embargo de la presse française sur la tenue quasi-quotidienne des manifestations des partisans de la Légalité et les Accords de Maputo / Addis-Abeba, ainsi que sur l’émergence du Mouvement des Ecclésiastiques (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana),
le silence étonnant de l’importante communauté française à Madagascar, témoin privilégié des évènements,
très subsidiairement, la très suspecte « Lettre ouverte » d’un Père Pedro (3)(récemment décoré de la Légion d’Honneur française) adressée à Louis Michel, Commissaire européen au développement et à l’aide humanitaire et actuellement co-président de l’assemblée paritaire ACP-UE.
Evidemment, cette liste n’est pas exhaustive, car ne sont évoqués ci-dessus que les faits les plus visibles. Mais qui constituent au total l’équivalence d’une reconnaissance officielle de fait de la France à l’endroit de l’Autorité de fait Malagasy.
Ce faisant, l’Etat français reste fidèle aux grandes manœuvres, très « géopolitiques » et à quelques variantes près, déployées dans maints Pays Africains (Côte d’Ivoire, Congo Brazzaville, Mauritanie, Gabon, Niger, etc…). Ce qu’il n’a pas apparemment prévu, c’est cette mobilisation quasi-immédiate contre le coup d’Etat, autour du thème de la Légitimité et de la Légalité, radicalisé depuis par celui de la Défense de la Souveraineté et de l’Indépendance.
Lire aussi: Andry Rajoelina à Paris, une visite si aimable
Malgré la guerre d’usure que lui imposent l’Autorité de fait, le Peuple Malagasy ne va pas prêter main forte à l’Etat français dans son acharnement à vouloir de nouveau planter, en plein XXIème siècle, son tricolore en haut du Palais de Manjakamiadana !
Car il nous semble très clair à présent : les autorités françaises veulent à tout prix que la Grande Île reste française et que le futur Président (qu’elles essaient de faire élire dans des élections forcées) soit un « ami de la France ». A l’instar de maints Chefs d’Etats Africains, contestés et haïs par leurs Peuples car élus dans des conditions nébuleuses. Cela signifie, dans le cas de Madagascar, que tous les moyens leur sont bons, pour empêcher le retour au pouvoir d’un certain Marc Ravalomanana.
A posteriori, nous osons affirmer que si ce dernier n’avait pas pu quitter Iavoloha pour l’exil en mars 2009, il y aurait (au sens propre) laissé sa peau. Cela aurait en effet arrangé beaucoup de monde et un Etat en particulier. Et sa mort, comme celle du Colonel Ratsimandrava, aurait constitué une énigme de plus, à jamais élucidée. Ou alors, ses ennemis auraient prouvé « qu’il s’est suicidé » ?
En 2009, le PNUD a publié le classement de tous les Pays du Monde(4) selon leurs IDH 2007 respectifs… Madagascar y tient le 145ème rang sur 182 et appartient en 2007 aux Pays à IDH moyen. Sur les 25 Pays classés derniers (à IDH faible) 11 sont des ex-colonies françaises.
Nous refusons de croire que c’est là le fait du hasard ou d’un quelconque malédiction. Certes les dirigeants de ces Pays et leurs Peuples y ont certainement leur part de responsabilités. Mais à y regarder de près, les poids de l’esclavage et de la colonisation, relayés par les manœuvres incessantes de ce qu’on appelle la Françafrique font que l’Afrique reste un continent noir, noir de violences, de misères, de pillages, de corruptions, d’élections forcées et truquées, de coups d’Etat, de génocides… et se trouvent reléguées au rang des pays immergents.
Pour s’en convaincre, il faut entendre le discours de M. Sarkozy, prononcé le 26 juillet 2007 à l’Université Cheick Anta Diop du Sénégal. Discours, édifiant s’il en est, et qui a soulevé l’indignation de nombreux intellectuels Africains (5). Il y a manié en effet, avec sa manière à la fois directe et insidieuse la basse flatterie et les contre-vérités, démontré sa méconnaissance de l’Histoire de l’Afrique Noire et ses Peuples. Pour mieux culpabiliser sans vergogne ces derniers et mieux édulcorer les responsabilités de la France coloniale passée et présente.
De la repentance, il n’a voulu rien entendre. Au contraire, c’est à peine s’il n’a pas exigé de la part de l’Afrique ingrate, le pardon à la France Eternelle, grand bâtisseur de ponts, de route, d’écoles, d’hôpitaux !
Qu’on ne se méprenne pas sur nos propos. Nous même de formation française. Nous respectons le Peuple Français et la France, celle des Droits de l’Homme, celle qui a connu la souffrance et l’humiliation pendant l’Occupation nazie, celle qui lutte pour le rayonnement de sa langue et de sa culture à travers le Monde. Mais nous dénonçons et condamnons d’autant plus vigoureusement la politique menée par l’Autre France, sournoise et conquérante, qui veut imposer ses propres intérêts au détriment et au mépris de ceux des Autres.
Antananarivo, le 27 avril 2010
Adolphe E. RAKOTOMANGA
Président de l’Association Force de l’Education et de la Recherche (HFF/FER)
Maître de Conférence Université d’Antananarivo
————————————
1.Alors que ces Accords ont reçu la caution et le soutien des organisations internationales (ONU), continentales (Union Européenne, Union Africaine) et régionales (SADC)
2.Cf. Midi Madagasikara du 27 mai 2009, page
3.Cf. Les Nouvelles du 03 avril 2010, page 2, dans laquelle, se basant sur la version française sur la crise et son origine qu’il a lue sur le site web du MAE français et qui accable Marc Ravalomanana, Père Pedro écrit notamment que « Madagascar est en paix malgré quelques accrochages qui se sont produits ici et là »
4.Cf. Rapport mondial sur le Développement Humain 2009, publié par le PNUD (octobre 2009) (5) Cf. « L’Afrique répond à Sarkozy » Editions Philippe Rey, 2008. Œuvre collective de 23 intellectuels Africains dont le Malgache Raharimanana. A lire également la série de 42 questions posées à la délégation de la HAT lors du « Dialogue Politique Union Européenne – Madagascar » tenu à Bruxelles en juillet 2009. On y constate à travers ce questionnaire que le monde du « ni vu, ni connu, je fais ce que je veux » est bien révolu.
Ecoutez-moi, vous qui connaissez la justice,
RépondreSupprimerPeuple, qui as ma loi dans ton coeur!
Ne craignez pas l'opprobre des hommes,
Et ne tremblez pas devant leurs outrages.
Car la teigne les dévorera comme un vêtement,
Et la gerce les rongera comme dela laine,
Mais ma justice durera éternellement,
Et mon salut s'étendra d'âge en âge
ESAÏE 51(7, 8, 9)
Misaotra anao Pr Adolphe E. RAKOTOMANGA fa manana olomanga tokoa i Madagasikara manana anao. Raha mba maro ny manam-pahaizana sahy mijoro toa anao sy ry Pr Ranjeva dia azo antoka fa mbola hisy mangirana sy fanantenana ihany ity Tanindrazantsika ity.
RépondreSupprimerNy zavatra tsy tokon adinonn'ny olona dia i Rajaonarimampianina dia olon-drajoelina iany.Tsy tonga teo @ fitondrana Rajao raha tsy i TGV ary ireo dia samy mpanongam-panjakana mpiray afera ihany fa isika vahoaka fotsiny no mody hanaovan-dry zareo cinéma eo.Mifankafantatra tsiambaratelo ireo ka tsy hifamadika izany.Vazaha mody miady fotsiny.
RépondreSupprimer